EDITO 15 Septambra – Tsy fanajana ny demokrasia – Voakasiky ny hafatr’i Antonio Guterres i Madagasikara

Sôh’son

Firenena demôkratika marina ve i Madagasikara amin’izao fitondrana Rajoelina izao ? Iaraha-mahita sy miaina ny zava-misy eto amin’ny firenena tato anatin’izay herintaona sy valo volana mahery izay. Tsy misy afaka hilaza fa malalaka ny fanehoana ny hevitra sy fahafahana miteny. Ny vokany, raha vao olona niana-kendry sy nahasahy niteny nitsikera ny tsy zava-tsy mety eto amin’ny firenena, indrindra ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, dia tsy maintsy misy enjika amin’ny endriny samihafa mahazo azy, ary mety hiafara amin’ny fahapotehan’ny fiainany izany. Raha tsorina, ny fijerin’ny mpandinika sy mpanara-baovao maro eto amin’ny firenena, dia tsy mahazaka demôkrasia ity fitondrana ity. Mahadika zavatra maro izany.

Voakasika be dia be amin’ny lazain’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana (ONU), Antonio Guterres, ny zava-misy eto Madagasikara, raha araka ireo hafany amin’ity andro androany 15 septambra, andro iraisam-pirenena ho an’ny demôkrasia ity. Anisan’ny navoitrany ny ahiahiny amin’ny tsy fanajàna ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna ao anatin’izao krizy ara-pahasalamana maneran-tany izao. Noresahiny ny amin’ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy miteny, ary ny asa fanaovan-gazety; ny fisamborana ny fihazonana am-ponja ireo mpanao gazety sy ny mpifanandrina politika, ny mpiasan’ny fahasalamana; ny fihetsiky ny polisy na mpitandro filaminana mahery setra sy ny asa fitsikolavana ny tambazotra izay miha-mitombo hatrany; ny momba ny fandrirarirana ny fifidianana, izay miteraka toe-draharaha miha- mafana sy korontana.

Saika hita taratra eto amin’ny firenena avokoa ireo ahiahiny ireo na dia misy firenen-kafa mety hitovy tranga amin’izany. Eto amintsika anefa toa mikasa handeha lavitra amin’izany. Ankehitriny, ohatra, nopotehina sy noezahina nofafàna ny kianjan’ny demôkrasia eny Ambohijatovo; tsy misy mahazo midina an-dalambe haneho hevitra, fa avy hatrany dia ny Emmoreg mirongo fitaovam-piadiana no miandry azy vao maraina; izay mbola mahasahisahy manao izany sy mitabataba dia ny fonja no miandry azy; ny mpanao gazety mila mitandritandrina raha hamoaka hevitra sy hilaza ny marina, fa fisamborana sy fonja ihany koa no miandry azy amin’ny alalan’ny fanodinkodinana ny lalàna hifanaraka amin’izay tian’ny mpitondra hanamelohana azy. Vokany, sahirana ny olom-pirenena mamoaka ny heviny momba ny firenena. Tsy maintsy mitandrintandrina mafy izay maneho hevitra amin’ny haino vaky jery ato anatin’izao fitondrana izao. Tany tsy demôkratika izany, tsy voahaja ny demokrasia eto amintsika.

Ataon’ny fitondrana ho fitaovana politika ny fampiasana ny hamehana ara-pahasalamana, hoy ny maro. Ny famonjana olona samihafa ihany koa tato anatin’ny enim-bolana izao, dia midika zavatra maro mifanohitra amin’ny demôkrasia. Hahalasa saina ihany ny mbola hahenoina fa mpitondra demôkraty no misy ary tany demôkratika i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Rehefa misy singa fototra iray na roa amin’ny demôkrasia voahosihosy fotsiny mantsy, dia efa miàla amin’ny zotran’ny demôkrasia izany. Hita taratra anefa izany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.