EDITO 12 Septambra – Tsy mirindra-dàlana ny zavatra atao eto

Sôh’son

Tsy nilamina hatrany am-piandohany, ka hatramin’ny farany hatreto ny fizarana fanampiana ho an’ny vahoaka. Antematemaka ny namaritana ny nantsoina ho marefo, ary tsy mitombona ny fahitan’ny olona maro azy. Nisy ireo tokantrano voailika, ka niala maina tsy nisitraka ary tsy hisitraka mihitsy izay fanampiana rehetra na dia tokony hahazo izany aza satria sahirana mafy vokatr’izao hamehana ara-pahasalamana sy ny fihanaky ny valanaretina covid-19 izao. Na nasaina nanao fitarainana aza izy ireny, dia tsy nisy valiny hatramin’izao. Karazany fihatsarambelatsihy fotsiny, raha ny fiheveran’izy ireo, no nataon’ny tompon’andraikitra rehetra misahana izany, miainga any amin’ny filohan’ny Repoblika, ka hatrany amin’ny rafitra rehetra natsangana misahana izany eny anivon’ny fokontany.

Mihevitra hanadio ny làlan-kizorany ny fitondrana kanefa tsy milamina ny “kifafa” ampiasaina, fa mitondra “loto” indray aza. Maneho izany ireo kiakiaka isan’andro milaza tsy fahatomombanana sy tsy milamina eo amin’ny sehatra politika, toekarena, ary sosialy. Ho antsoantso an-tany efitra avokoa ihany anefa ireny, satria ny “sofin’ny fitondrana” kendrena hoterena hihakely sy hanaraka izay baikon’ny mpitondra fotsiny ihany sisa. Ny “maso” sy “vava” miteny efa zarina tsy hijery afa-tsy tokam-bolo, ary tsy hiboredika sy tsy hanao litania afa-tsy ny noventesin’ny atidoha mpitarika azy ihany. Tsy mifanaraka amin’ny ataon’ny tànana anefa ny fahitana ny fandehan’ny raharaha, fa ny iray mampanonofy, ny iray mitondra kanonta, ka manambana sy mively ary midaroka mihitsy izay hitany sy heveriny fa manelingelina ny diany na dia ireo tsy nihevitra izany akory aza. Hany ka sahirana ilay vahoaka fa tsy mahita izay horaisina marina amin’ny fandehan-draharaha atao eto amin’ity firenena ity.

Sao dia ny fampikorontanan-javatra hisavoritaka no paik’ady entina amin’izao fotoana izao, mba hahatratrarana ny tanjona tiana hahatongavana? Ny tanjona faritana anefa matetika mampikolay ny vahoaka, toy ireny fikasana hanorina tanàna teny amin’ny lemak’i Betsimitatatra ireny, ny fanorenana kianja tsy mifanaraka amin’ny soatoavina maha-Malagasy eny amin’ny lapan’i Manjakamiadana; ny fandravana tsenam-barotry ny mponina izay nandaniany volabe, sns… Ny vaindohan-draharaha tsy mikaro-kevitra ny hanatsara izay efa misy, fa ny hikosoka ihany izay manahirankirana ny saina, ary kasaina hotsindriana ny dian-tànana vaovao tsy niaraha-nanaiky sy niombon-kevitra. Midika izany, fa tsy hisy ny fivelarana sy fampandrosoana hahasoa sady hahafaly fatratra ny sarambabem-bahoaka tsy ankanavaka ezahina hotanterahina eto.