Hamehana – Teti-dratsy entin’ny mpitondra manampatra fahefana

Andry Tsiavalona

Tsy mbola namoaka fanapahan-kevitra haingana toy izao ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), satria na mbola teo amin’ny fanehoana ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny lehiben’ny governemanta sy ny Antenimieram-pirenena aza ny mpanao politika sy ny mpahay lalàna dia namoaka didy “tsy azo ivalozana” indray ity andrim-panjakana ity manoloana ilay didy hitsivolana nampifanolana ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena dia nananganana ilay kômisiôna (Commission Paritaire Mixte) izy ireo.

Tsara ampahatsiahivina, fa rehefa tsy mahita marimaritra iraisana ilay kômisiôna dia ny Antenimierampirenena no manana ny teny farany. Raha ny vaovao dia ny alatsinainy 31 aogositra 2020 no nivory ny kômisiôna tao amin’ny Lapa Maitso Anosikely, nanambara ny maro an’isa tao amin’ny kômisiôna fa tsy afaka manao fanovana ao anatin’ilay didy hitsivolana satria fandaniana ihany no azo hatao, ka “eny” na “tsia” no tsy maintsy fanapahan-kevitra. Nahatsiaro fa vitsy an’isa anefa ny solontena IRD avy ao amin’ny Antenimierampirenena tao amin’ilay kômisiôna, ka nivoaka ny efitrano rehefa niroso tamin’ny fananganan-tànana. Tsy zava-baovao ary araka ny fomba fiasa eo amin’ny Antenimiera anefa dia mitohy ny fivoriana na dia misy lasa nivoaka aza ary mandray fanapahan-kevitra ireo sisa tavela. Teo no niseho ny tsy fanarahan-dalàna satria nandefa tatitra, io andro io, tany amin’ny Praiminisitra ny filohan’ny Antenimierampirenena, fa tsy nisy hono marimaritra niraisana, ka dia niroso tamin’ny fandaniana ilay didy hitsivolana ny tao amin’ity Andrimpanjakana ity.

Ny 01 septambra anefa ny tao amin’ny kômisiôna vao nandefa ny fitanana an-tsoratra tany amin’ny Praiminisitra araka ny tapaka tao amin’ny fivoriana teny Anosikely. Fotoanan’ny hamehana (état d’urgence) tokoa izay tsy anavahana na ara-pahasalamana na inona, ny eto Madagasikara ka afaka manao izay tiany atao ny mpanatanteraka na ny governemanta, ka tsy miraharaha ny Antenimiera intsony, indrindra ny Antenimierandoholona izay lasibatra ao anatin’ity didy hitsivolana ity. Efa iaraha-mahalala, araka ity didy hitsivolana ity, fa ho 18 sisa ny mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona raha 63 izy ireo araka ny Lalàmpanorenana. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana koa dia tsy nijery izay tsy nifanaraka tamin’ny lalàna teo amin’ny fomba fiasa sy ny tsy fanajana ny dingana tsy maintsy najaina sy ny rafitra tsy maintsy manao ny tatitra, kanefa dia neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izany.

Tsiahivina fa dimy taona ny tetezamita, 2009-2014, nanao ahoana ny faripiainan’ny Malagasy, ka an’hetsiny maro ny very asa, ary latsaka tao an-davaka mangitsokitsoka ny toekarem-pirenena. Tsy resahina intsony ny fanitsakitsahana ny lalàna velona sy nanan-kery. Nanjaka ny fanaparam-pahefana sy fisamborana ary ny fampidirana am-ponja izay tsy nitovy hevitra tamin’ny filohan’ny tetezamita sy ireo mpomba azy. Nitombo dimy ambinifolo andro indray ny “hamehana ara-pahasalamana” na tsapa aza fa tsy ilaina loatra intsony izany satria efa toy ny tsy misy valanaretina intsony eto Madagasikara, raha ny fitakosinana etsy sy eroa, toa ny ataon’ny filohan’ny Repoblika. Tsara kokoa raha samy miaro ny tenany sy ny manodidina azy satria toa teti-dratsy entin’ny mpitondra manampatra fahefana fotsiny ny “hamehana”. Na inona na inona fahadisoana ataony dia tsy ho voahozongozona aloha ireo mpikambana ao amin’ny HCC, fa ho eo foana mandritra ny fe-potoana iasan’ny filohan’ny Repoblika.

Nandrasana ny fanapahan-kevitra nanafoanana ny “hamehana ara-pahasalamana” kanefa niniana tsy nofoanana, mba hahafahan’ny filoha sy ireo rafitra mpiaradia aminy manao izay danin’ny kibony eo amin’ny fitantanana ny Firenena. Tsapa tokoa mantsy fa mitety faritra ny filohan’ny Repoblika tato ho ato ary tsy ny fanampiana noho ny fihibohana no nozarainy tetsy sy teroa, fa manome jiro mandeha amin’ny angôvo azo avy amin’ny masoandro. Sady tsy manamaivana ny fahantrana mihoa-pampana eo amin’ny vahoaka Malagasy izany no tsy manaporofo fa voafehy ny aretina Covid-19, izay efa miparitaka manerana ny Nosy. Na misy na tsy misy fanalavana ny fepotoana iasan’ny filohan’ny Repoblika, fa ny famerana ny isan’ny Lohona ho 18 ihany no hanaovana fitsapankevi-bahoaka dia miendrika fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana sahady izao ataon’ny filohan’ny Repoblika izao.

Tsy misy izany fanjakana tan-dalàna sy fanjakana tsara tantana ary fanjakana mandala ny fanjakam-bahoaka (demokrasia), fa fanjakana mirona any amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy no misy eto. Aza manjeny ny andro ho lava, fa tsy ampoizina ny andro iray hitsimbadihan’ny tantara.