NY SOLA ATY AMINAY

Ny sola natao ho fitaratra indray
No mazàna mamotaka aty aminay,
Fa dia izy noheverina hoe mba hanirina,
Indrisy, mandoza, manao loham-pirina!

Raha misy ketrika malotoloto
Dia io “solapaika” fa tena mazoto .
Mandidy , manapaka, tsisy fierana
Fa an-dry zareo , hono, ny fahefana!

Tsy misy izay resaka hoe tolo-bidy
Fa tonga dia mihatra avy hatrany ny didy.
Ny zava-drehetra, tsy mananosarotra,
F’izy, mpividy no sady mpivarotra!

Gaga sy zendana ny olon-drehetra
F’izao ilay hoe bizina tena voretra .
Ka dia mandiniha, mihevera ry sola.
Tsy mety ho mangidy tokoa ve ny vola?

Raha rano roa siny no indray lolohavina
Diniho ihany izay mbola hodiavina.
E! ito loha efa tena mangirana
Sao hibolisatra tsisy hamikirana!

DADAN’i ZINA (07-09-20)