NY FAHAMEHAN’NY MPITONDRA

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,
Ka nanjary toa nidika ho karazam-panenjehana?
‘Reo mijoro manakiana dia asai-mikombom-bava,
Izay no hevitra fonosin’ito atao hoe “arotava”?

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,
Ka nanjary niova endrika ho karazam-pamotehana?
Dia narodana daholo ireo izay tsara efa nijoro,
Na nanaovana hevi-petsy, nanirahana mpandoro?

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,
Ka natao izay tsy hisian’ny ankolafy hafa firehana?
Tena hevitr’olon-tokana, ‘zay no hany hahindrahindra ,
Fa dia hoe ny fidedahana, io no lehibe indrindra?

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,
Fa toa tsy avotra ito sambo f’eo an-dalam-pilentehana?
Dia ny petatoko sisa no hany toka-nofinidy,
Sy noheverinao mpitondra mba hatao fanalahidy?

Maika anie no fototeniny sao tsy fantatrao akory e!
Aoka ho maika ianao mpitondra f’aza dia matoritory.
Izany maika izany anefa, tsy midika velively
Hoe hiteti-dravitoto toy ny ataon-dry boaikely!

TSIMIMALO (27-08-20)