Raharaha « écran plat » – Mety tsy ho afa-bela ny ministry ny atitany

Tianarivelo Razafimahefa Ministry ny Atitany

Stefa

Mahakasika ilay raharaha fanampiana, na don “écran plat” teny amin’ny CCO covid 19 Ivato, dia mety tsy ho afa-bela amin’izany ny ministry ny atitany Tianarivelo Razafimahefa sy ny vadiny ary ireo olona hafa mety ho tafiditra amin’izany raharaha izany.

Mifanipaka mantsy ny zavatra nolazain’ny CCO tamin’ny alalan’ny ministry ny atitany sy ny avy amin’ny PNUD, na ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana. Ny tsapa sy hita dia misy raharaha kolikoly avo lenta ao anatin’ny raharaha. Tantara mitohy tokoa ny “écran plat”, namaly ny tompon’andraikitra teo anivon’ny PNUD. Mifanipaka tanteraka ny fanazavana nentin’ny CCO sy ny PNUD . “Décaissement” na famoaham-bola ihany no nataon’ny PNUD. Izany hoe nandray vola izany ny CCO, izay ny ministry ny atitany no filohany. Mbola ny CCO koa no nanao ny fividianana sy ny fisafidianana ny orinasa nanjifana ny entana fa tsy ny PNUD araky ny nambaran’ny CCO.

Tsy tokony ho vita mora ity raharaha ity, aiza ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly, fa toa mody fanina ve izy ireo! Tokony hampiharina ny lalàna tahaka ny raharaha bonbons sucette 8 miliara ariary, ka nanesorana ny minisitra, nanagadrana tale jeneraly,… Mety tsy ho afa-bela amin’izao zavatra izao arak’izany ny minisitry ny Atitany sy ireo akaiky azy, rehefa tena tokony hampiharina ny lalàna.