Antsiranana, Toamasina – Mbola tsy madio ny ladoany Malagasy

Mbola tsy madio ny ladoany Malagasy, indrindra fa ny any Antsiranana sy Toamasina, raha ny zava-misy tamin’ity herinandro ity no jerena:
Efa misy ireo olona atao fanadihadiana, ireo olona miasa amin’ilay sampan-draharahan’ny ladoany, misy raharaha hosoka, fialana fandoavana haban-tseranana any Toamasina. Vao afak’omaly ity raharaha ity, misy karana iray eny Tanjombato mpanafatra entana, efa mpanafatra entana foana izy io fa manambaka ny Malagasy, volam-panjakana betsaka no very an-jatony tapitrisa maromaro, efa fanaony io, fa izao izany izy vao ho tratra, noho ny ezaka ataon’ny “administration ny douanes”, na ny ladoany, amin’ny alalan’ny fanaovana contre visite.

Araka ny vaovao voaray teo am-pelatanan’izy ireo dia nanaraka ry zareo, nanaraka dia tratra izy izao: tele ecran plat tao anaty container no tsy nanaovana fanambarana, efa fanaony izy io, ary efa be dia be ny container efa nafarany, ka matiantoka be izany ny fanjakana sy ny fadin-tseranana ao anatin’izay, fa tratra izy izao dia aman-jatony ny tele tsy nanaovana fanambarana dia misy an-tapitrisany maro izany ny haba tokony haloany amin’ny ladoany.

Efa eo am-pitadiavana ireo tompon’antokoka ny tompon’andraikitra, fa ny entana moa amin’ny maha-entana azy dia ny entana no tratra, fa ny tompon’antoka amin’ilay sampan-draharaham-panjakana sy ny patron karana be zatra izay ampihimamba izay, tsy mbola fantatra ny tohin’ny famotorana, fa ny entana dia efa tratra. Afaka tomorina izany vaovao izany any Toamasina fa ny contre visite nahatratrarana an’io izany dia ny alarobia 26 aogositra, tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Io moa tranga iray izay hita fa ny mety fomba fanao mahazatra, na ny mpandraharaha, na ny mpiasa izay zatra ny lalan-dririnina na kolikoly dia misy hatrany, satria misy koa ireo mpanafatra entana, na mpanjifa, eny amin’ny fadin-tseranana izany, tena manao fitarainana, misy izany ny gazety navoakan’ny La Grande Ile tamin’ity herinandro ity, mahakasika ilay inspecteur 2 tany Diégo, izay mandoa haba ilay client dia ataon’ny inspecteur des douanes satria azy ireo ny fahefana rehefa any, tsy hitan’ilay client mihitsy izay atao satria efa tratran’ilay hoe tsy mety io fa ampitomboina 2, ampitomboina 3 dia hitanao hoe matahotra ianao, ilay entana tsy ho tratran’ny magasinage dia hany ianao, ka tonga ho azy amin’ilay hoe ohatrinona no omena anao sefo. Izay koa izany, zavatra iray tena misy koa ary misy tranga mitovitovy amin’izay koa amin’izao fotoana izao ny tany Toamasina ny alarobia teo, mitovitovy amin’io ilay tany Diégo io, fa any Toamasina indray ilay izy amin’izao fotoana.
Ao amin’ny ladoany izany dia mbola te-hanao lalan-dririnina ireo mieritreritra fa ho tompon’ny ladoany sy ho tompon’ny fandraharahana ohatr’io zavatra tratra io.

Ny famotorana dia mandeha amin’izao fotoana amin’ireo nmpamoaka entana sy mpanafatra entana, efa mandeha amin’ny ambaratongany, efa mihoatra ny 4 no natao famotorana any Toamasina hatramin’ny alakamisy teo, famotorana izay ataon’ny brigady misahana ny heloka amin’ny ladoany.

Ilay izy izany , tele ihany no anaovany fanambarana fa ny any amin’ny isany no ahenany, raha 600 isa ohatra no ao anaty container dia lazainy hoe 100 na 200 dia ny 500 izany, na ny 200 miditra fotsiny. Dia ireo entana tsy nanaovana fanambarana no ifanarahana amin’ireo tompon’andraikitra dia samy mahazo ny anjarany avy eo, na ny tompon’andraikitra, na ny mpamoaka entana, na ny mpanafatra indrindra indrindra, fa ny fanjakana izany 0 ny azy.
Efa tena réseau, na tambazotra mihitsy ity tratra ity, izay lalana heverin’izy ireo hampanankarena azy, nefa tokony ho volam-panjakana ilay izy.

Misy ireo mpiasa ambony lehibe fa ny fahafantarana azy tsy midina sur terrain, na eny amin’ny sehatra izy ireo, fa misy ny fiarovana satria lehibe izy, fa ny tena ao Toamasina ao no manan-jo hanakana, hisava, manao fanamarinana na verification an’izany zavatra izany, ka izay tsy manao kolikoly no ilany vaniny, ka mikaikaika sy sahirana, fa ireo izay manao kolikoly dia mahatafavoaka zavatra amin’io toa tambazotrana mafia io.

Mikasika ity vaovao any Toamasina ity, container 40 pieds, tele no ao anatin’ilay izy dia fanambarana isa sandoka sy lazaina fa tele taloha ilay somary mivoitra ireny ny vodiny, ka ireny dia vitsy no tafiditra fa raha ilay ecran plat fisaka dia marobe izany ny isany. Dia toy izay no ilalaovany azy. Ka ilay izy sady mpiasan’ny fadin-tseranana no transitaire, izany hoe juge et parti ny olona manao azy, izany hoe sady mpiasa no mpamoaka entana. Izay izany no tena mandoto an’ilay izy ao ary efa tena maloto sy malaza ratsy amin’ny fanaovana zavatra ohatr’izay satria mbola misy afera maizina hafa eny amin’ny fitsarana, misy olona efa voatazona maromaro any am-ponja dia mahavariana koa fa misy olona MD mbola tsy vita fitsarana dia mivoaka mandehandeha any dia izay anisan’ny ao anatin’ny manao io zavatra io, miaraka amin’ny mpiasa am-perinasa any an-toerana.

Tantara mbola mitohy ity olan’ny hosoka amin’ny famoahan’entana ao amin’ny ladoany ity, mila arahan’ny tompon’andraikitra maso akaiky.