Fitondrana Rajoelina – Manao tandrevaka ny lafiny maha-olona

Radafy

Fanontaniana mipetraka hatrany rehefa mijery sy mahita ny zava-misy eo amin’ny fitantanam-pirenena ny hoe: nahoana mihitsy no tsy hain’ity fitondrana Rajoelina ity ny mampifandraika ny fepetra raisiny amin’ny toe-javamisy iainam-bahoaka? Hita hatrany izany hatrany am-piandohan’ny fidirana amin’ny hamehana ara-pahasalamana mandraka ankehitriny, efa ho dimy volana izao. Tsy hiresaka afa-tsy zava-droa loha isika, dia eo ny fihetsiky ny mpitantana eo anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra, ary ny fihetsiky ny tomponandraikitra manampahefana mitandro ny filaminana eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana.

Tena hita tsotra izao, fa atao an-tsirambina na tsy hampiasana saina loatra ny fijerena ny lafiny maha-olona, raha ho an’ny eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Ao anaty hamehana ara-pahasalamana ny firenena, ary miaina ao anaty fahasahiranana lalina ny sarambabem-bahoaka. Maro ny tokantrano no sahirana ara-pivelomana noho ny fahapotehan’ny fihariany. Miha-mihena hatrany ary zara raha misy kely ny vola miditra isan-tokantrano, ary misy aza tsy mahita mihitsy. Tafiditra ao anatin’izay ny mpivarotra, satria mihena ny mpanjifa. Tsy miasa saina amin’izany anefa raha jerena ny ataon’ny tomponandraikitra amin’ny fandravana ireo trano fivarotana maro sy ny mbola kasainy horavàna ato ho ato. Mpivarotra marobe no efa narodana ny toeram-pivarotany ary mbola ho tratry izany ihany koa ny eo amin’ny Esplanade Analakely. Ny vokatr’izany fahavoazan’izy ireo izany eo amin’ny fiainany, tsy iasan’ny Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina vitsivitsy saina akory. Tsy misy fiheverana kely akory araka izany ny lafiny maha olona izay tena tokony ho laharam-pahamehana ao anatin’izao krizy lalina misy eto amin’ny firenena izao. Nambaran’ny Ben’ny tanàna, fa hananganana fotodrafitr’asa lehibe eo amin’ny Esplanade Analakely izy ireo. F’angaha izany tafatsangana ao anaty iray volana ka hoe afaka miharitra izany ireo mitondra faisana amin’izao fandravana toeram-pivarotana izao? Ny fihafian’izy ireo na dia ao anatin’izay monja aza mbola sarotra ny mieritreritra azy. Fihafiana izay tsy ho vitan’ireo tomponandraikitra rehetra miketrika izao fandravana izao velively ny miaina azy, fa raha an’ny hafa tsy hamakiana loha. Ny fizoran’ny lamina amin’izany amin’ny laoniny sy ara-drariny sy ara-dalàna koa mbola adihevitra iray lehibe hafa. Iaaraha-mahita ny fomba fiasany ankehitriny.

Ankoatra ireo mpivarotra, mbola mahavariana ihany koa ny andraisan’ny eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra ny fanapahan-kevitra hanapaka ny fifanarahana eo amin’ny CUA sy ny haino aman-jery MBS. Ny teboka iray lehibe raisina, raha tsy hiresaka afa-tsy izay, dia ny lafiny fandraharahana sy orinasa. Niaraha-nahalala, fa nodorana sy nopotehina io haino aman-jery io tamin’ny taona 2009. Nandritry ny fotoana lava aman-taonany no nipetraka rotika teo io toerany eny Anosipatrana io. Vao tsy ela no nanarina azy ny tompony ary tsy mbola tafaverina tanteraka amin’ny toerany ny orinasa. Misy mpiasa maro manodina azy ao. Ilàna vaniny anefa izy io fa hoe tsy nahaloa hofan-trano, ary tsy maintsy mifindra toerana. Nahoana no tsy avela hiarina ara-dalàna ny mpandraharaha Malagasy, ary tohintohinina ny fiveloman’ny mpiasa ao aminy? Mifanipaka tanteraka amin’ny hoe fanandratana an’i Madagasikara izany.

Fa ny tena mahavariana amin’ireo mpitondra ny firenena, dia zava-nitranga teny Mahamasina tamin’ny fifamalian’ireo mpitondra bisikilety manao taxi sy ireo mpitandro filaminana izay naka ny fitaovan’izy ireo. Hita ho nitaraina ireo mpanao taxi-bisikilety aman-jatony mba mitady fivelomana aloha, mandrapiverin’ny fiainam-pirenena amin’ny laoniny, ka hiverenan’ny asa fivelomana sy ny fiharian’izy ireo andavanandro. Tapaka fivelomana izy ireo, misy tsy an’asa noho ny fikatonan’ny orinasany na “chômage technique”, misy ny mpitondra fiara fitateram-bahoaka taxibe izay tsy afa-miasa nandritry ny andro maro, sns… Mazava loatra, fa misy fiantraikany lalina any anaty vilanin’izy ireo ny vokatr’izany, manginy fotsiny ny fiahiany ny ankohonana sy momba ny zanany mianatra. Tsy te-hahalala izany anefa ny mpitandro filaminana izay nahazo baiko hampanàja ny lalàna, fa ny lalàna dia lalàna ihany, izay voa mafy any voa mafy. Tsy ao anaty ny fomba fiasa na ny fiheveran’izy ireo izay lafiny maha olona any. Fa moa ny ataon’ireo taxi-bisikilety tsy fitsinjovana ny ankohonany amin’ny fivelomana sy ireo olona, mpiasa sy mpivarotra efa reraky ny fandehanana an-tongotra isan’andro? Moa ho vitan’ilay manam-pahefana nanao teny mahery na ndeha atao hoe teny hentitra teny Mahamasina ny handeha dia an-tongotra 5 km isan’andro ary mandritry ny herinandro fotsiny mamonjy toeram-piasàna? Ny sakafo amin’io tsy zarizary fa tsy misy ny vola.

Ao anaty vanim-potoana manokana tsy mahazatra ary sarotra ny firenena amin’izao fotoana izao. Tokony hojerena sy sainin’ny fitondrana sy izay tomponandraikitra rehetra na manam-pahefana tanteraka ny lafiny maha-olona aloha, fa tsy mampihàtra lalàna bontolo fotsiny sy tsy am-piheverana lalina. Ny fahaizana mampifandray ny lalàna sy ny lafiny maha-olona ary ny fihariam-piveloman’ny mponina ao anaty fotoana toy izao no ahitana ny fahendren’ny mpitondra.