Tsy fandriampahalemana – Sakoroka vao maraina tany Farafangana

Stefa

Sakoroka vao maraina, na nikorontana vao maraina ny tany Farafangana renivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana omaly alatsinainy faha-17 aogositra. Andaniny ny mpitandro filaminana, ankilany ny mponina tao amin’ny Fokontany Andranomakoko.

Ny zava-nisy, maty voatifitry ny jiolahy afak’omaly alina ny sefon’ny Fokontany Andranomakoko. Nisy ny olona voasambotry ny mpitandro filaminana ahiahiana ho nahavanon-doza tamin’izany fanafihana sy asan-jiolahy izany, ka tazonina ao amin’ny Biraon’ny zandary. Takian’ireto mponina ireto ny hamoahana io olona io hatao fitsaram-bahoaka, teo no naha raikitra ny savorovoro.

Tamin’ny fotoana nanoratana dia mbola mandeha ny fanelanelanana ataon’ny mpitondra fanjakana any an-toerana. Andrasana ny tohin’izany raharaha izany.