EDITO 18 Aogositra – Fitondrana Rajoelina – Nampibaribary ny tsy fahaiza-manaony izay 5 volana izay

Sôh’son

Miditra amin’ny fahadimin’ny volana ao anaty hamehana ara-pahasalamana ny firenena amin’izao fotoana izao. 5 volana nampikorontana ny fihariana sy ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka amin’ny ankapobeny. 5 volana nampitontongana sy nahapotika ny toekarem-pirenena ary nampifotetaka azy any amin’ny taha-pitomboana hatrany amin’ny 0,8%. Ny lafiny politika toa vao mainka hampizorina mankany amin’ny fanitarana ny hantsana mampisaraka. Amin’ny fomba ahoana no hiharenan’izany rehetra izany aoriana? Ny antontan’isa sy tarehimarika aseho isan’andro ampahafantarina ny vahoaka ankehitriny maneho ny tranga vaovao amin’ny voan’ny valanaretina, miha-mihena hatrany ary ny sitrana kosa miha-mitombo. Midika inona izany sy inona no tiana ahatongavana?

Ho an’ny mpamakafaka ny asa atao rehetra eto amin’ny firenena na sosialy na toekarena dia toy ny langilangy zozoro ihany. Miharihary manaporofo izany ny zava-misy iainan’ny vahoaka andavanandro, izay maneho fa mitsontsorika midina ambany dia ambany ny lentan’ny fepetram-piainany. Tsy vitan’ilay fitondrana mihitsy ny fitsinjovana ny fiainan’ny vahoaka malagasy izay saika sahirana avokoa amin’ny ankapobeny. Ny fitondrana no nahatonga izao tranga misy ny firenena ankehitriny izao, kanefa tsy voavahany ny olam-bahoaka.

Nambara fa ao anatin’ny efatra andro no nampiatoana ny fanampiana ny vatsy ho an’ny vahoaka. Mbola hita ho niitatra ho dimy na enina andro mihitsy aza izany tany amin’ny tanàna sy kaomina sasany. Hita ho nisy olona vitsivitsy teo amin’ny telo teo nandeha nitety tokantrano nanao fanadihadiana. Rehefa noezahina nofantarina dia tsy ilay « vatsy sosialim-bahoaka » no nanaovan’izy ireo fanadihadiana fa mbola ilay « tosika fameno » avy amin’ny FID. Fantatra tamin’izany fa ilay lisitr’ireo efa nisitraka teo aloha ihany no hamarinin’izy ireo amin’ny ankapobeny. Nisy araka izany ireo tokantrano maro nodinganina fotsiny tsotra izao fa tsy ao anaty lisitra kanefa maro amin’izy ireo no ao anaty fahasahiranana tanteraka efa am-bolana maro izao. Ny fanadihadiana amin’ilay « vatsy sosialim-bahoaka » nanakorontam-bahoaka amin’izany tsy hita soritra na re na kely aza tao amin’ilay tanàna sy kaomina. Mazava loatra, fa tsy mbola mandeha araka izay laoniny ihany toy ny teo aloha ny fanadihadiana nanaovan’ny fitondrana fihetsiketsehana be sy ny zava-misy. Tsy misy fivoarany, fa ny eo ihany no eo, izay efa nahazo ihany no mbola hahazo, ary tsy misy fanantenana ho an’ny hafa tsy mbola nisitraka fanampiana na indray mandeha aza, kanefa ao anaty fahasahiranana tanteraka.

Tsy mbola milamina toy izany ihany koa ny lafiny toe-karena eto amin’ny firenena, mbola maizin-kitroka ny làlana ho amin’ny fiarenana. Mbola ahenoina olana ihany koa ny eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Misy ny mpiasan’ny fahasalamana mbola nilaza, fa tsy misitraka akory ny tambin-karama. Misy ireo mandeha an-tongotra na manao izay ahatongavany any amin’ny tobim-pahasalamana sy rehefa mody avy eo. Ny “E.P.I” tsy milamina, fa misy tsy fitoviana eo amin’ny rehetra miatrika ny fitsaboana sy ny ady amin’ity valanaretina ity.

5 volana izay no nodiavina, nihanjahanja ny maha kely endaka ny fitondrana Rajoelina niatrika ny ady amin’ny fihanaky ny covid-19 eto amin’ny firenena, mibaribary ny tsy fahaiza-manaon’izy ireo, efa voalaza fa ho tratra ny pic, izany hoe hanomboka mety hifarana ny valanaretina vao tonga ny oxygène ho fameloman’aina, tokony ho maro no ho avotra tamin’izany raha tonga mialoha teto amin’ny firenena izany.