Tsy amehana ara-pahasalama no mihatra fa amehana ara-politika

Andry Tsiavalona

Sahiran-tsaina ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao satria ankoatry ny fahasahiranana ara-pihariana sy ara-pivelomana dia mampanahy be tokoa ny hoavin’ny taranaka eo amin’ny lafiny fanabeazana. Tsy ny ao amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa ihany fa hatrany amin’ny ambaratonga ambony mihitsy. Tsy mbola azo antoka ny fiafaran’izao fiparitahan’ny valanaretina covid-19 izao dia efa mandray fanapahankevitra ny mpitondra, fa tsy maintsy hisy ny fanadinana amin’ny volana septambra ho an’ny mpanala Cepe sy Bepc ary ny volana oktobra kosa ny bakalorea. Ny eny amin’ny Anjerimanontolo kosa dia any amin’ny volana martsa 2021 vao hanomboka ny taom-pianarana kanefa efa tamin’ny volana novambra 2019 no vita ny fanadinana ary tsy mbola fantatra ny vokatr”izany fanadinana izany. Arak’izany dia hihara-hiditra ao amin’ny taona voalohany ireo afaka bakalorea ny taona 2019 sy 2020. Niaraha-nahalala koa ny haavo lentan’ny bakalorea ny taona 2019 iny noho ny tranga fiparitahan’ny adina mialohan’ny vaninandrom-panadinana.

Mbola hanahirana ihany koa ny amin’ity taona ity satria dia efa am-bolana maro no tsy nianatra ny mpianatra noho ity hamehana ity. Raha tena vonona niatrika izao, araka ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika tany am-boalohany, dia tsy ho toy izao ny toe-draharaha. Roa taona izany ny sehatry ny fanabeazana dia nijotso amin’ny farany ambany. Entina hampandriana adrisa etsy an-kilany anefa dia nanambara ny filohan’ny Repoblika, fa hanorina efitra fianarana “manara-penitra amin’arivony”. Dehaka loatra koa izao kanefa raha tena mahafehy ny valanaretina dia tsy manao fivorian’ny filankevitry ny minisitra amin’ny alàlan’ny “visioconférence” ambonin’izany, azo inoana fa efa nisotro cvo daholo izy ireo, ka tsy tokony hisy hatahotra hamindra na hifindran’ny otrikaretina intsony satria sady fanefitra io no fanafana.

Araka ny fanambarana tamin’ny alahady ihany dia miverina miasa daholo ny mpiasam-panjakana nanomboka ny alatsinainy lasa teo kanefa dia tsy fantatry ny mpitondra angamba, fa tsy manodidina ny minisitera iasany avokoa ny mpiasa rehetra ao, fa misy any Avaradrano, any Atsimondrano, sns… kanefa tsy misy fitateram-bahoaka mahazo miasa, .ankoatry ny fiara karetsaka ary tsy misy minisitera manana fiara fitondrana mpiasa izany. Ho an’ny mpiasa any amin’ny orinasa sy mpampianatra tsy miankina dia asaina mindram-bola, karama iray volana, ao amin’ny Cnaps izy ireo.

Na tiana anefa na tsy tiana dia efa mahazatra antsika ny makatahaka izay ataon’ny firenena any ivelany amin’ny lafinjavatra sy toe-javatra rehetra kanefa ny any dia nanokana vola tsy toko tsy forohana nanampiana ny orinasa tsy miankina sy ny mpiasa tsy mandray karama. “Hahazo ireny fanampiana “tositosika” isan-karazany ireny hono na ny manana karnem-pokontany, na ny tsy manana koa aza, hoy ny filohan’ny Repoblika ary nirotsaka nanao fanisana ny olona isa-tokatrano hatramin’ny minisitra mihitsy aza, ary tokony ny talata teo no natomboka ny fizarana kanefa dia tsy mbola tanteraka izany. Tsapa fa fanapahan-kevitra ara-politika noho ny hamehana sy ny fitiavana miseho ho tena mandray andraikitra sy mitsinjo ny vahoaka tokoa no ataon’izao fitondrana izao, kanefa na tiana na tsy tiana dia fanararaotam-pahefana tsotra izao satria tsy mifandanja velively ny fanapahan-kevitra sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny vahoaka entina. Amin’ny fotoanan’ ny hamehana tahaka izao tokoa mantsy dia manana ny fahefana rehetra hanao izay tiany atao ny mpitondra ary amin’ny alàlan’ny famoahana didim-panjakana (ordonnance) izany.

Tsy niteraka firaisankina sy fihavanana ho an’ny vahoaka Malagasy velively ity valanaretina ity, fa mety fifankahalana sy fifandrafiana kosa satria mibahana sy manjaka loatra ny paikady politika eo amin’izay rehetra aroso ho tsy maintsy hajaina sy ankatoavina ary tanterahin’ny olompirenena.