13 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

IZAY AHO VAO MINO NY TENIN’NY FILOHA RJOELINA HOE HO HITANAREO AMIN’ITY FITONDRANA ITY IZAY TSY HITANAREO NANDRITRA NY 60TAONA :

Mihiboka 6 volana d mahazo vary 1 gony, na tokony ho 6 gony aza no azo. Miasa ny mpiasa fa tsy mahazo miasa ny bus. Tsy mahazo alevina any am-pasandrazana ny maty. Mitaraina milaza mahantra daholo ny olona, mitaingina 4×4 tsara be daholo anefa ny mpitondra, dia ny vahoaka mandeha an-tongotra miala @ 4maraina andeha hiasa dia mody ao an-trano @ 7 ora hariva raha haingana indrindra, efa valaky ny dia an-tongotra . Sns… Soa ihany ny filoha fa manimbahoaka dia manaiky daholo ny olona. Fa misy fetrany koa aloha ny fandeferan’ny vahoaka, misy farany ny zava-drehetra.

MIAKY AHO IZAY.

Razafimandrato Nirina
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao