Raharaha MBS – Anodinan’ny fitondrana ny tsy fahombiazany

Niaina

Mitana ny sain’ny maro indray amin’izao fotoana ny raharahan’ny haino aman-jery MBS, afaka 6 volana dia tokony hiala ao Anosipatrana ity haino aman-jery tsy miankina ity, araka ny navoakan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, tarihan’ny ben’ny tanàna Vazahabe: Naina Andriantsitohaina.

Raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy dia ahodin’ny fitondrana any ny sain’ny vahoaka, anafenany ny tsy fahombiazany, sy ireny famorimbahoaka tsy manara-dalàna ireny, sy ny fahantrana lalina iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana, noho ny ataon’ny fitondrana Rajoelina ihany.

Momba ity raharaha ity, tsy rariny ny fanafoanana fifanarahana efa vita tany aloha, raha toy izany, tokony hojerena avokoa ireny antsoina hoe: « contrat de bail » ireny, ka raha sahin’ny CUA sy ny fitondrana ny manafoana ny fifanarahana tamin’ny vahiny momba azy ireny dia tsy misy ny fanavakavahana, fa raha tsy izany, dia ny mpandraharaha Malagasy ihany izany no tian’izy ireo anaovana antsojay.

Ankoatra izany momba ny MBS, adiny roa raha be indrindra dia potika sy may tanteraka ny MBS teny Anosipatrana nanaovan’ny mpanongam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina azy tamin’ny taona 2009, tanàna rava no teny nandritra ny tetezamita, rindrina miloko molaly no hany sisa tavela nandritra ny taona maro. Dia rehefa tafody ny mpanangana, nanambatra ny tapaporohana sisa tsy may, niezaka namerina tamin’ny laoniny ilay haino aman-jery ho tena harifomba tao anatin’ny fotoana fohy dia avy indray ny mpiara-dia amin’izao fitondrana mpandrava izao hamotika, sao mba tsy rariny, misy vady aman-janaka Malagasy madinika miasa ao. Mbola ho tantara mitohy ity raharaha ity.

12.08.20–FANITSAKITSAHANA NY FIFANARAHANA –TAFAPETRAKA ANDROANY NY FITORIAN'NY MBS

Publiée par MBS sur Mercredi 12 août 2020