EDITO 13 Aogositra – Ben’ny tanàna Vazahabe – Tsy te-hahalala ny mpandraharaha Malagasy

Sôh’son

Mampanahy tanteraka ny fisehoan’ny zava-misy amin’ny fitantanam-pirenena amin’izao fotoana izao, ho an’ny mpamakafaka. Mihazakazaka miseho endrika amin’ny lafiny herisetra ara-politika ny tomponandraiki-panjakana. Voalohany amin’izany ny hetraketraka natao an’ireo mpivarotra amin’ny fandrodanana ny toeram-pivarotan’izy ireo ; manampy izany ny fandravana ny fifanarahana nifanaovan’ny kaomina Antananarivo renivohitra amin’ireo mpivarotra eny amin’ny Esplanade ; ary vao andro vitsy monja izao no nahafantarana fa hotapahin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra ny fifanarahana tamin’ny haino aman-jery MBS eny Anosipatrana. Fifanarahana izay mbola maharitra an-taonany maro, ary mazava ny fifanarahana kanefa tsy miraharaha izany ny ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra fa hotapahina izany. Mpandraharaha Malagasy avokoa ireo. Toa midika fa tsy te-hahalala sy tsy tia mpandraharaha Malagasy mihitsy ny ben’ny tanàna Vazahabe, Naina Andriangtsitohaina.

Raha tsy hilaza afa-tsy ireo fotsiny dia hita miharihary fa ankoatra ny fomba fiasa tsy mifanaraka velively amin’izao vanim-potoana izao, dia manao politika amin’ny fandravana ny tompon’andraiki-panjakana. Iray kitapo ihany ny mpiandraikitra ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny eo anivon’ny fitondrana miaraka amin’i Andry Rajoelina. Politika iray ihany ny azy ireo, ka tsy afa-misaraka. Izany hoe, raha manao ity politikan’ny fandravana ity ny ao amin’ny CUA, dia politikan’ny fitondrana iray manontolo izany. Izany anefa dia tena maneho ny tsy fahamatorana ara-politika mihitsy, ary tsy fahaizana mitondra firenena. Politika manapotika fa tsy manatsara ary tsy amim-pahendrena mihitsy, satria hita ho lasa lavitra ny fomba fiheverana amin’ny fanaovan-javatra na fandraisana fanapahan-kevitra. Zary mampahatsiahy ny zava-nitranga tany amin’ny taona 2009 – 2010, ary nandritry ny tetezamita ihany koa ity mitranga ankehitriny ity.

Tena laharam-pahamehana tokony horaisina ve ireo fanapahan-kevitra ireo? Tsia, fa zavatra na asa maro be no mbola tokony hotanterahina sy andrasan’ny mponina amin’ny tomponandraikitra amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Be ny asa tsy vita kanefa tena ilain’ny mponina maika eo amin’ny fiainany andavanandro: ny làlana tsy vita ny fanatsaràna, fa arabe maro no feno lavaka sy potika amin’izao fotoana izao ary misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka izany; ny fanadiovana tanàna tsy tontosa antsakany sy andavany, kanefa niseho hahavita izany tany am-piandohana; ny tsy fandriampahalemana mbola tsy mampitony ny mponina ary tsy hita izay paik’ady mazava amin’izany; maro ireo toe-javatra tsy manara-dalàna toa tazanina fotsiny; ny fanarenana ny fiainam-piarahamonina tsy misy ary tsy ho hainy velively.

Marina fa eo ny krizy sy ny hamehana ara-pahasalamana noho ity valanaretina nosokafam-baravarana ity. Ampahany iray ihany amin’ny asa sy andraikitra andrasan’ny vahoaka amin’ny tomponandraikitry ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra izany raha miatrika izany izy, fa ny nilokalokana mbola maro no tsy vita. Ny hita aza dia toa tsy mahay ny asany izy raha ny nambaran’ny filohan’ny mpanohitra RMDM, Marc Ravalomanana, manoloana ny zava-misy sy ny zavatra ataony. Ho sarotra ihany ny hihevitra fa hisy fiovàna goavana amin’ny fihatsaràna ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny fiainan’ny mponina ao aminy raha ny fahitana ny zava-misy sy mitranga ankehitriny. Toa fandravana ny zava-misy napetraka teo aloha mantsy no mahamaika, fa tsy ahitana mihitsy zava-baovao atao am-piheverana tsara sy amim-pahendrena ary tena ilain’ny vahoaka. Ny fitantanana sy famitàna asa atao eto Antananarivo renivohitra koa anefa no taratry ny hiseho manerana an’i Madagasikara. Momba ity raharaha fanenjehana mpandraharaha Malagasy ataon’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ity, tafapetraka omaly teny anivon’ny Fitsarana ny fitoriana azy, nataon’ireo mpivarotra tadiaviny hoesorina eo amin’ny Esplanade Analakely, nanotrona azy ireo nametraka izany fitoriana izany ireo mpanolotsaina ao anivon’ny tanàna, sy ny mpisolovava Me Eloi. Ho hita eo ny tohiny.