EDITO 11 Aogositra – Fitondrana Rajoelina -Miala bala amin’ny tsy fahaiza-mamaha ny olan’ny vahoaka hatrany

Sôh’son

Miditra amin’ny tapa-bolana faha-11 amin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena ankehitriny. Midika izany fa mbola ao anatin’ny krizy ara-pahasalamana i Madagasikara, ary tsy io sehatra io ihany fa ny lafiny rehetra mihitsy. Manaporofo izany ny fitsingidingidin’ireo olom-panjakana manao fanadihadiana, miainga any amin’ny filohan’ny Repoblika, mandalo ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, hatrany amin’ireo tale isan-tsokajiny sy ny ekipany rehetra ao anaty minisitera, hatramin’ny mpitandro filaminana, mahazo ireo ben’ny tanàna, ny distrika sy ny tomponanadraikitra eny amin’ny fokontany.

Mazava loatra fa misy sokajy tsy tokony hanao izany asa midina ifotony manao fanadihadiana izany kanefa voatery tsy maintsy manao fa « halohalika ny ranom-bary » araka ny fitenenana ary may volon-tratra ny eo anivon’ny fitondrana matoa manao izany. Ohatra ? ny mpitandro filaminana, raha fanadihadiana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana no fanaony mahazatra azy midina eny ifotony, dia hafa iny nataony tato anatin’ny efatr’andro iny. Tale sy sekretera jeneraly sy ny mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo eny minisitera zatra mipetraka am-birao lasa manao ny asa tsy fanaony hatramin’izay. Midika mazava izany, fa misy tsy milamina ny fitantanam-pirenena eto amin’izao fotoana izao, n’inona n’inona fanazavana.

Misafotofoto ny raharaha miantraika amin’ny vahoaka ankehitriny, izay lasa mahafanina ilay vahoaka tanteraka. Izay koa ve no tiana ahatongavana eto, ka tsy ahafahan’ilay vahoaka mijery sy misaina marina intsony izay lalan-kombana itondrana ny firenena ? Inona no ao ambadik’izany ? Fialàna bala amin’ny tsy fahaizana mitondra firenena ny filazana, fa sahirana toy izao manjo izao avokoa ny firenena maneran-tany hatramin’ireo firenena matanjaka ; sy ny hoe : zava-baovao ity mitranga maneran-tany sy tonga eto amintsika ity. Rehefa tsy mahavaha ny olana mitranga eo amin’ny firenena tantaniny ny mpitondra, na any ivelany na dia firenena matanjaka aza sy indrindra eto Madagasikara, dia tsy fahaizana izany.

Tsy atao minantsanantsana fotsiny ity vava any amin’ny fampielezan-kevitra ka midehaka hahavita hanandratra ny firenena, ary ao anatin’ny fotoana fohy. Dia rehefa miseho eny an-dàlana eny ny tranga tsy ampoizina dia milaza hoe tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny izao. Avy eo indray mandray fanapahan-kevitra tsy marin-toerana, tsy mahasedra ny olana samihafa mitranga mandritry ny vanim-potoanan’ny krizy. Indraindray misafotofoto sy mifanipaka mihitsy aza avy amin’ireo tomponandraiki-panjakana ihany. Ilay vahoaka indray no omena tsiny avy eo, sy lazaina fa misy mitady hanakorontana ao anatin’ny fidinany an-dalambe mitaky ny anjarany amin’ny fanampiana.

Ny anakaraman’ny vahoaka volabe ireo tomponandraiki-panjakana rehetra, dia natao hamaha ny olana rehetra eo amin’ny fiainan’ilay vahoaka. Tsy hifidy olona hapetraka eo amin’ny fitondrana ka tsy hahavaha olana manjo azy ny vahoaka. Vahoaka mampieritreritra lalina raha toa ka mifidy olona toy izany, olona tsy hahavonjy azy akory. Tsy izay anefa ilay vahoaka malagasy, ary tsy mendrika azy ny zava-misy iainany ankehitriny, sy efa ho dimy volana izao.