Tsy maharaka ny fivoaram-piarahamonina ny fitondrana

Radafy

Famaritana tranainy efa lany andro tanteraka no mbola ao an-tsain’ny fitondrana raha ny mikasika ny atao hoe « marefo » eto Madagasikara. Tsy maharaka ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, sa tena tsy fahaizana mihitsy ? Ny tsikaritra dia ny olom-pirenena eny anivon’ny vahoaka ifotony indray no mampahafantatra an’ilay fitondrana, fa efa miova ny famaritana ny atao hoe « marefo », fa tsy ny ao an-tsain’ny fitondrana ankehitriny intsony. Eo amin’ny fizarana fanampiana samihafa, ka hamaritan’ny fitondrana ny marefo na sahirana ara-pivelomana eto amin’ny firenena no ahitana izany. Tsapa fa tsy mbola raisin’ny fitondrana ho marefo ny ankoatran’ireo olona lazaina ho tena mahantra toy ny tsy manan-trano ialofana na manana ihany, fa tsizarizary na mitafy akanjo tsizarizary na zara angaha raha mahita vola ividianan-kanina isan’andro na ny mitovitovy amin’izany. Indraindray ireo ilay antsoina hoe « 4’mi ».

Ankehitriny anefa, indrindra tao anatin’izao krizy ara-pahasalamana izao, dia tsy mitoetra intsony ny famaritana teo aloha fa tena misy fivoarany be. Saika ny ankamaroan’ny malagasy no sahirana mafy ara-pivelomana avokoa amin’izao fotoana izao. Tsy misy fidiram-bola tsara intsony noho ny fikatonan’ny orinasa, ohatra, ka lasa very asa. misy mbola orinasa mihodina fa mitsipozipozy mila tsy ahavelon-tena intsony. Ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina, ohatra, tsy mandray karama efa ho dimy volana. Ny mpitatitra, indrindra amin’ny nasionaly, tsy afa-nihetsika niasa am-bolana maro, sns… Maro tsy tambo ho isaina ireo sokajin’olona voa mafy ara-pihariana ireo ary manao izay ahavelona fotsiny sisa isan’andro. Anisan’ny olona marefo koa izy ireo amin’izao fotoana izao.

Voalaza nandritry ny taona maro, ny folo taona farany no raisina, dia mahatratra 92%-n’ny Malagasy ny anaty fahantrana. Latsaky ny roa dolara no vola raisin’izy ireo isan’andro. Mbola mitombo io taha io raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Mety misy mbola tsaratsara fitafiana na endrika ivelany, fa ny ao anatiny na ny ao an-tokantranony zara raha misy horaisina, na tsy misy n’inona n’inona, tsy misy vola, tsy misy sakafo hohanina, sns… Marobe ny olona toy izany amin’izao fotoana izao. Saika ny Malagasy rehetra no sahirana mafy, fa ny fitondrana sy ireo tompon’andraikitra samihafa mbola mahita avahana ihany. Moa tsy ireo mpiasam-panjakana na ireo mpiasa amin’ny banky angamba sisa no tsy voatohintohina ny karamany ary toy ny teo aloha ihany ny fiainany. Ny ankamaroan’ny Malagasy sahirana ara-pivelomana tanteraka avokoa, ary tena marefo amin’ny lafiny maro vokatr’izao krizy ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.

Mahavariana mihitsy fa toy ny mbola tsy ao anaty kajin’ny fitondrana Rajoelina ireo sokajin’olona marefo vaovao ireo. Efa tena miova be ny “donne”, araka ny fitenenana, eo amin’ny rafitra sy ny fiainam-piarahamonina, ary hita ho taraiky ny fitondrana ary tsy mahafehy izany. Miseho miharihary izany amin’ireo fanampiana ara-tsosialy ataony isaky ny mihetsika. Tsy fahaizana mitondra firenena ve izany? Tsy tokony hadinoina ihany koa fa noho ny fahataran’ny fanakatonana mialoha ny sisintany ihany no fototr’izany trangan-javatra amin’ny fiovam-piarahamonina izany.