NY FITONDRÀN-DRY ZETY

‘Zahay no mitondra ka “’zay tianay ihany”.
Akombony ny vava, aza tia manontany.
“Ny mangarahara”, tsy an-tery tsy akory,
Rehefa tsy faly dia ‘ndeha re mitory !

‘Zahay no mitondra ka “’zay tianay ihany”.
“Mangina ianareo”, izay no dikan’izany.
Ny anay “revy manja” no ataonay modely,
Dia tsy inona fa ‘lay hoe “revim-boaikely”!

‘Zahay no mitondra ka “’zay tianay ihany”.
“Tsy mihaino an’izany mpanohitra izany ”!
Ny vava akombony ary dia mifitsaha
F’aza mihetsika intsony sao hahita “raha”.

‘Zahay no mitondra ka “’zay tianay ihany”.
Aza be rediredy ianareo eny ambany.
“Ny anay” no voalohany vao “ny anareo”,
Ka meteza hangina , aza mampiaka-peo.

‘Zahay no mitondra ka “’zay tianay ihany”,
Na rariny na hoe tsy rariny izany.
Anay ny rehetra na vola na hery.
Mahaiza mifitsaka sy miari-pery.

*(zety=’ze tianay ihany)

TSIMIMALO (05-08-20)