EDITO 30 Jolay – Noho ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina – Mijaly ny vahoaka, sahirana ny firenena

Stefa

Henjana ny fiantraikan’ny valanaretina coronavirus eny anivon’ny fiaraha-monina amin’izao fotoana, tsy eto amin’ny faritra Analamanga, sy any amin’ny faritra Atsinanana ihany, satria ireo no tena isian’ity valanaretina ity, fa ireo faritra rehetra manerana ny Nosy mihitsy ankehitriny no ianjadian’izay olana noho ny valanaretina sy ny hamehana ara-pahasalamana izay. Ny zava-nisy, lasa ny namana, lavo ny havana tiana, nandao ny ray amandreny… ranomaso ny iray tanàna, sento lalina ny mpiray tanindrazana… Efa mangidy ny fiainan’ny Gasy.

Natao ho resy amin’ny lafiny maro isika ankehitriny, ka ny fitondrana izay tarihan’ny filoha Andry Rajoelina no fototr’izany rehetra izany rehefa tena zohiana. Very ny asa satria tsy zava-dehibe amin’ny mpitondra ny fampandehanana azy. Foana ny tahiry satria tsy afaka mihary, fa efa voafetra ny zavatra rehetra. Gaboraraka ny fitantanana ny volambahoaka satria “izahay no mitondra izao ka fady mangarahara”, hoy izy ireo. Hamehana ara-pahasalamana izao, ka izay tianay io na mety na tsy mety, izay miseho miteny eo fahavalon’ny fampandrosona satria efa milamina tsara ny zava-drehetra, izany no havoitran’ny mpitondra sy ny mpiara-dia aminy, na tsy mandeha amin’ny laoniny aza ankehitriny ny zava-drehetra eto amintsika.

Mazava ho azy fa vokatry ny tsy fahaizana mitantana no naha-sempotra aloha be antsika. Mitsatoka amin’ny zavatra tsy laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka sahirana amin’izao fotoana ny vola, mitsatoka amin’ny fanaovana: Colisée, kianja Barea, kianja tsy bozaka voajanahary, Gasycar, fly over, sns…

Fehiny, olona mihanihany amina zava-doza no be dia be ao anatin’ny fitondran-dRajoelina, ka tsy maintsy hivarina any an-kady isika, raha izao endrika fitondrana misy izao. Ohatra fotsiny ny hoe: tsy mafy noho ny pesta sy cholera ny coronavirus. Mijaly ny vahoaka, sahirana ny firenena, hanaiky izany hatrany ve isika?