EDITO 25 Jolay – Fihanaky ny coronavirus – Voalohany voa mafy i Madagasikara aty amin’ny Ranomasimbe Indiana

Sôh’son

Efa-bolana nidirana tamin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara, mihazakazaka ny zava-misy. Raha mbola telo ny tranga amin’ny valanaretina tany am-piandohana nanakatonana ny sisintany sy nihibohana, ny 20 Martsa 2020, ankehitriny efa mihazakazaka manatona ny isa 9000 ny trangana valanaretina, izany hoe efa hananika ny iray alina. Ary tato anatin’ny telo herinandro monja, dia mampiteny ny moana ny toe-javamisy amin’ny fitomboan’ny tarehimarika: na izany eo amin’ny tranga vaovao (cas confirmés), na amin’ny isan’ireo namoy ny ainy. Tarehimarika izay mbola lavitry ny “pic” izay nambaran’ny filohan’ny Repoblika, fa mbola any amin’ny faran’ny volana aogositra vao ho tratra. Firenena maro taty Afrika no efa nihoaran’i Madagasikara ny laharany amin’izao fotoana izao. Nisy tao anaty herinandro iray amin’izao fotoanan’ny fihibohana faharoa izao, firenena 10 no nihoarana amin’ny fisian’ny tranga vaovao. Ary i Madagasikara no voalohany voa mafy izao aty amin’ny Ranomasimbe Indiana. Ato anatin’ny dimy volana izany, mbola tsy hitsaha-mitombo ny tarehimarika amin’ny trangana valanaretina eto Madagasikara.

Mampanahy tanteraka ny zava-misy raha ny toe-javatra hita etsy sy eroa. Miha-mitombo ireo toerana andraisana ny olona ahitana soritr’aretina. Efa mipàka eny anivon’ny fokontany, toy ny tobim-pahasalamana fototra izany ankehitriny. Ny mpitsabo anefa tsy ampy amin’ireny toerana ireny, fa matetika iray ihany, fa mpiasan’ny fahasalamana no manampy azy eo. Hany ka tsy maintsy miàsa mafy izy ireo isan’andro. Miha-mitombo isan’andro koa anefa ny isan’ireo olona manatona ny toerana, ary hatrany amin’ny toeram-pitsaboan’ny mpitsabo tsy miankina amin’ny fanjakana io toe-javatra io.

Etsy ankilan’izany rehetra izany, miha-misarika ny saim-bahoaka miandàlana ny fahitàny ny zava-misy eny anivon’ny fokontaniny amin’izao fotoana izao. Ity fisiana taratasy milaza fahafatesan’olona iray mipetaka amin’ny rindrina sy misy olona maty amin’ny toerana samihafa ary ny fiara mitondra faty, tsy indray mandeha ihany, isan-kerinandro. Miha-voaresaka matetika amin’ny haino aman-jery ny toeram-pandevenana toy ny fasam-bahiny. Rehefa miseho matetitetika eo anoloan’ny masony na reny izany eo anivon’ny fokontaniny isan-kerinandro dia tsy maintsy mandeha ihany ny sain’olombelona, misy raha tsy milamina mihitsy eto amin’ny tanàna. Henoiny anefa ny fitondram-panjakana toa tsy andrenesany feo manazava aminy izany.

Hihazakazaka ho aiza ity firenena ity eo amin’ity fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina coronavirus sy ny fihanahany ity? Sanatriavina tsy hiady laharana maneran-tany ho lohandohany hiharany mafy. Mampanahy ny vahoaka anefa ny fahitàna ny zava-misy iainany amin’izao fotoana izao, ary sarotra afenina aminy izany.