EDITO 14 Jolay – Fitantanam-pirenena – Môdely tsy hoan’ny sarambabem-bahoaka

Radafy

Tsy niahotra mihitsy ny minisitra iray nilaza, heno sy hita tamin’ny haino aman-jery ny alakamisy teo, fa môdely tsara no ataon’ny fitondrana tamin’ny nanaovany resaka ampitain-davitra tamin’ny fampiasana teknolojian-tserasera maoderina, itony antsoina hoe “visioconférence” itony. Môdely hoan’iza anefa izany? Mazava loatra, fa tsy ny sarambabem-bahoaka velively no afaka hampiasa izany satria iaraha-mahalala tsara ny fahantran’ny vahoaka Malagasy izay mainka miha-lalina aza amin’izao fotoana izao.

Ny vahoaka Malagasy, ny fihariany amin’ny ankapobeny dia tsy mifandray velively amin’izany fitaovana môderina izany. Mbola mitoetra aza, ary fantatr’Ingahy minisitra tsara izany, fa manodidina ny 80%-ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Io lazaina fa tantsaha io anefa, marina fa tsy voatery monina any ambanivohitra avokoa izy rehetra, dia tsy mitovy ny tantsaha any ivelany toy ny any amin’ireo firenena tandrefana mandroso ao Eôrôpa na indrindra any Etazonia, izay tena mampiasa fitaovana môderina sy raitra tokoa. Ny seha-pamokarana faharoa sy fahatelo eto Madagasikara no mifampizara amin’ny isan-jato sisa ambiny, izany hoe ny 20%. Sahirana amin’ny firoboroboana anefa izy ireo ary tsy afa-mivelatra noho ny antony maro samihafa indrindra amin’ny toe-javatra misy ankehitriny.

Sarotra ho an’ireo mpisehatra ao anatin’ireo seha-pamokarana roa ireo ny hanara-dia ny nataon’ireo mpitondra toy ireo niatrika ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ity herinandro ity.
Ireo mpisehatra mavitrika ao anatin’ireo seha-pamokarana telo eto Madagasikara ireo, amin’ny ankapobeny, dia tsy mbola tonga ary tsy ho afaka ho tonga eo amin’ny dingan’ny fampiasana fitaovana teknolojika toy ny nambaran’Ingahy minisitra raha ny zava-nisy sy misy iainany. Ny firariana efa hatramin’ny ela dia ny hahatongavan’izy ireo amin’izany dingam-pivoarana izany nefa izao aloha no zava-misy. Zary fampangotsohana azy ireo fotsiny ny fahenoana iny filazan’ny fitondrana ho môdely iny.