NY ZAVA-MISY ETO AMINTSIKA

Ato an-trano misy zaza mitoloko, mitaraina
F’efa andro roa na telo no efa tsy nanendry hanina,
Saingy i dada angaha mba rototra, izy angaha mampiasa saina
Fa manampin-tsofina izy sady modimody fanina!

Ato an-trano misy neny trotraky ny tsy fisiana,
Ka misento, mitoloko f’efa tojo ny mafaitra.
Saingy i dada toa mikimpy sy manao fanahy iniana,
Tokana no ao an-tsainy, ny hamoaka fiara raitra!

Ato an-trano tsisy intsony na ny seza na kidoro,
F’efa tapitra namidy vokatry ny tsy fananana,
Saingy i dada mbola io, midehaka tsy laitra atoro,
Ny mieboebo hatrany, izay no ataony ho fiadanana!

…Sarim-piainana toy izany no efa hita miharihary:
Mitaraina ireo vahoaka, tsy hainy intsony izay halehany,
Saingy ny filoha hajaina, lany andro mikabary,
Colisee sy gasycar no laharam-pahamehany!

Ary dia tsy miery intsony fa ny vontoatin-dresany
Dia ny fieboana lava sy ny fanandratan-tena.
Nofin-jaza hatrany hatrany , izay no tena imatesany
Ka raha ‘zao dia ho any an-kady no iafaran’ny firenena !

TSIMIMALO (11-07-20)