Mpivarotra gazety Ny Valosoa Vaovao 60 nisitraka fanampiana

Manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny dia nisy ny fanampiana izay nataon’ny fikambanana Erikerika Madagasikara niarahana tamin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao.

Tsy afaka miasa ara-dalàna ireo mpivarotra gazety noho ny fandraràna ataon’ny fanjakana mifandraika amin’ny fepetra ara-pahasalamana eto amin’ny firenena. Latsaka an-katerena tanteraka izy ireo. Vary sy menaka no voatsirambin’ny tanana nentina ho an’ireto mpivarotra gazety. Fankasitrahana sy hafaliana araka izany no nandraisan’izy ireo izany fanampiana izany.

Tsy mba nisy tokoa ny fijerevan’ny fanjakana azy ireo manokana nandritra izay fihibohana izay ka mpivarotra gazety 60 teo no nisitraka fanampiana vary dimy kilao sy menaka iray litatra avy, avy amin’ity fikambanana malala-tanana ity.

Ny Valosoa Vaovao