EDITO 9 Jolay – Fitondrana Rajoelina – Tokony hiaiky ny fahadisoany amin’ny vahoaka

Sôh’son

Resaka poak’aty, fampandriana adrisa, ronono an-tavy, izay teny azo ilazana mifandraika amin’izany ny amin’ny filazana fa lamasinina haingam-pandeha ny fitondrana Rajoeliana sy ny forongony, raha ny zava-misy eo amin’ny fitantanam-pirenena tato anatin’ny 19 volana izao. Vao mainka aza tena an-dakiran’izany raha tato anatin’ny volana efa-bolana nampidirana ny firenena hiaina ny valan’aretina covid-19. Miharihary toy ny vay an-kandrina izany, raha ny zava-misy fantatra hatrany am-piandohana mandraka ankehitriny eo amin’ny fiainan’ireo mpiasan’ny fahasalamana miatrika ny ady amin’ity valan’aretina ity; ny fiaimpianan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny indrindra amin’izao fotoana izao, ny olana amin’ny fahasahiranana ara-tsosialy sy ny fahantrana lalina manjo azy; ny seha-pampianarana izay tsy hita marina izay handaminana azy mba hampitony ny rehetra mpisehatra ao anatiny; ny seha-piharian’ny daholobe izay lasa mifampihinana sisa no fahitana azy ary tsy ahitam-panàfany mazava sy hentitra avy amin’ny fitondrana.

Niaraha-nahalala fa nisy ny fepetra noraisin’ny fitondrana nentiny hamahana ny olana rehetra izay nambarany fa efa nivononany hatrany am-piandohana. Niaraha-nahita tsara koa anefa fa ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainam-bahoaka. “ homamiadana no mitranga kanefa fanafody parasetamôla no omena ny marary”, toy izany no kisary hita tato anatin’izao fiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao. Olan’iza ankehitriny no voavaha tao anatin’ireo vahaolana ara-tsosialy natolotry ny fitondrana? Tsy misy, fa mbola sahirana avokoa ihany ireo nidedahana fa nahazo fanampiana. Ireo aza toy izany koa mainka fa ireo vahoaka aman-tapitrisany, sokajin’olona maro samihafa, notazanim-potsiny tsy nahazo n’inona n’inona. Eo am-panatanterahana indray koa ilay fanampiana izay isehosehoana hatrany dia mampiteny ny moana ny fahataran’ny fotoana higadonany sy ny fomba fizarana azy. Tsy milamina, hoy ny fitenenana, ny fandehan’ny raharaha ary manamarina izay ny tenin’ireo raiamandreny samihafa eto amin’ny firenena tato ho ato.

Mihisatra ny famahana olana eto amin’ny firenena ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Indraindray aza mikatso mihitsy raha jerena ireo teny fanomezan-toky amin’ny zavatra samihafa fa hotanterahana teny anivon’ny fokontany. Toy ny “tari-drano an-kilahila ka ny very no betsaka” ny mitranga amin’ny fitantanam-pirenena tato anatin’ny efa-bolana. Manahiran-tsaina ny mandre na mahita fa toy ny tsy misy mpiahy intsony ny vahoaka ao anaty olana atrehiny amin’izao fotoana izao. Ary ho an’ny mpamakafaka aza dia mampanahy tokoa, fa mbola hosarotra ny lalan-kodiaviny raha tsy manova famindra tanteraka ny fitondrana. Tsy miziriziry mihirim-belona toy ny nataony hatramin’izay, fa ho vitany irery izao ady atrehina izao. Lalan-diso tanteraka izany ary izao iaraha-mahita izao ny vokany fa “torotoro” ny vahoaka.

Tokony hiaiky izay fahadisoany izay amin’ny vahoaka ny fitondrana. Ny heloka hibabohana tokoa mody rariny hoy ny fitenenana izay. Toa tsy hanaiky ho diso mihitsy anefa Rajoelina sy ny forongony raha ny fahiatan azy izao, nefa efa hita fa tsy tafa intsony, araka ny tenin-jatovo ankehitriny.