Paris – Sabotsy 4 Jolay 2020 – Hetsika “Ravao io Colisée io”

Ny Fikambanana ‘Ravao io Colisée io’

Misaotra sy mankasitraka ireo rehetra namaly ny antso ‘Ravao io Colisée io’ teo anoloan’ny ambasady malagasy tao Paris.

Tafatsangana androany faha-4 Jolay ny biraon’ny fikambanana entina manohy izany hetsika izany.

Raha nanontaniana ny hevitry ny mpahay lalàna Alezra Georges dia izao no nambarany raha atao dikanteny malalaka: “Tsy nisy ny fifampiresehana na teo anivon’ny vahoaka, na teo anivon’ny antenimierampirenena mikasika ny fanovàna ny endriky ny vako-pirenena. Ovaina araka izany ny tantara malagasy, kanefa tsy an’olon-tokana ny tantara ary tsy azo ovaina. Izany dia manome rariny sy lanjany ny fikambanana hijoro amin’ny fitakiana ataony”.

“La modification apportée à un monument national n’a pas été l’objet d’un débat à l’intérieur du peuple, ni au sein de l’Assemblée Nationale malgache. On a apporté une modification à l’histoire malgache alors que l’histoire n’appartient à personne, et on ne doit pas y toucher. Cela donne plus de droit à l’association d’intervenir.”

Isaorana manokana ity mpahay lalàna amin’ny teny sy hevitra nentiny ary fanohanana amin’ny izao hetsiky ny olompirenena malagasy izao, mitaky ny fanajàna ny vako-pirenena.

Ny vaovao dia ampitaina amin’ny rehetra ihany amin’ny alalan’ny tambazotra serasera. Azo atao koa ny mifandray avy hatrany amin’ny tompon’andraikitra, dia i Ralimo amin’ny laharana 01.74.34.99.11 na 06.25.79.03.98.