4 Jolay – Taratasin’ny mpamaky

Tsy azo omena tsiny ireo mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka miady mafy raha hiteny hoe: tsy afaka handray mararin’ny covid- 19 intsony fa fefika ny hôpitaly, ny marary ahiana ny ainy ihany no azo raisina sisa.

Kanefa, ny olana lehibe amin’ilay hoe asaina mitsabo tena any an-trano ireo marary tsy misy fambara manahirana dia izao: tsy hahatandrin-tena ny olona fa hivoaka hamindra amin’ny hafa : tsy tokony hohadinoina fa olona avy any ivelany nasaina nanao engagement fa hanao “mise en quarantaine” ny tenany no niantombohan’ny fifamindran’ny covid-19 : tranga 3 lasa 2.400.

Azon’ny Fanjakana atao ny manao réquisition toerana lehibe tsy miankina amin’ny Fanjakana iray: hôtely lehibe, hametrahana ireo olona testés positifs, farafaharatsiny hanokanana toerana azy ireo tsy hisian’ny fifampikasohana amin’ny olona hafa. Iaraha- mahalala ny zava-misy iainan’ny Malagasy fa ankohonana iray mipetraka amin’ny efitrano 1, ka sarotra ny fitsaboana tena ao an-trano, kolontsaina sy fiarahamonina malagasy rahateo ny tsy misaramianakavy ka dia hifamindra ao sanatria.

Azon’ny Fanjakana atao no manao réquisition mpitsabo tsy miankina amin’ny Fanjakana sy ireo travailleurs sociaux hanara-maso ny fahasalaman’ireo olona atoka-monina ireo ary omena fitaovana fiarovana sy fitsaboana araka izay zakan’ny Fanjakana.

Ny anisan’ireo antony nahatonga ny Firenena mandroso nanao confinement ihany koa dia noho ny fahafenoan’ny hôpitaly, isika tsy afaka hiverina hanao confinement intsony satria tsy ho zakan’ny toekarena sy fihariana izany, ka aleo vahaolana hafa no heverina.

Hevitra tera-bary fa aim-bahoaka no resaka eto!

Rakoto Tatou Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao