Tsy misy marina tsy hiseho – Hay Rinah Rakotomanga no nampidoboka an’i Arphine Rahelisoa

Ny Valosoa

Na niafina tao ambadiky ny filoha Andry Rajoelina aza ny nitory ny talen’ny famoahana Ny gazety Ny valosoa Vaovao, ARPHINE Rahelisoa dia nipoitra ny marina ankehitriny.

Tao anatin’ny tsy nampoizina no nahafantarana izany, izay tao anatin’ny ady mangatsiaka lasa nivadika ady mafana misy eo amin’ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rinah Rakotomanga sy ny minisitry ny serasera Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy. Efa ela ihany no nahenoina feo fa tsy mifanaraka izy mirahavavy , fa honohono fotsiny izany fa izao izy efa miseho mibaribary. Afabaraka ny TVM ary tsikera mivaivay no nahazo azy ireo satria tsy nandeha tamin’izay laoniny ny fandefasana mivantana ny matso teny amin’ny araben’ny fahaleovantena nandritra ny fankalazàna ny faha 60 TAONA niverenan’ny fahaleovantena.

Ny tambazotran-tserasera manakaiky ny minisitry ny serasera no nanambara, fa ny fototry ny tsy fahombiazana tamin’ny fandefasana mivantana ny lanonana eto amin’ny firenena ataon’ny fahitalavim-panjakàna dia avy amin’i Rinah Rakotomanga. Ny fanaovana tsindry amin’ireo minisitera, mba hanomezana tsenam-barotra moa tsy lazaina intsony araka ny publication na lahatsorany nataony ihany. Fa ny tena tsy nampoizin’ny maro dia ny tenan’ny vadin’ny minisitry ny serasera Andry Andriatongarivo mihitsy no namoaka publication tamin’ny pejy facebook fampiasany satria angamba mety nisy vava tsy zakany nataon’ny talen’ny seraseran’ny presidansa, ka novaliany hoe ‘torio araka ny nitorianao an’i Arphine ilay olona Rinah Rakotomanga a! dia vita fa aza be menomenona, Oay, dia avereno avokoa ny …..’

Izay adiny any tsy asiana resaka fa mazava eto ny resaka, Rinah Rakotomanga no nitory ka nampigadra ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa tany Antanimora nandritra ny iray volana. Nisy tombontsoa ho an’io tompon’andraikitra eo amin’ny seraseran’ny prezidansa io ve ny nampigadra ny mpanao gazety namany? Nampitombo hasina ny filohampirenena izay mampiasa azy ve izany? Izao ka izy samy mpiara-miasa no mifanala baraka. Zakao ao ihany ny anao Prezidà mamim-bahoaka a! Tsy maintsy ho avy ny farany e, misy farany raha jiaby!