Raharaham-pirenena – Aty ny mason’izao tontolo izao satria tsy mazava ny lalan’ireo vola azo

Andry Tsiavalona

Valo ambinifolo volana izao no napetraky ny ampahan’ny vahoaka malagasy eo amin’ny fitondrana izao Repoblika IV-2 izao Rajoelina Andry.

Maro ny fampanantenana nataony tao anatin’ilay nantsoiny hoe « velirano ». Nisy fampanantenana nitsimoka anefa teny antsefatsefany teny arakaraky ny fihetsempon’ny filoha nanoloana ny tranga nisy. Tsy dia maro ny mahafantatra ny tena voarakitr’ilay finiavana hampisandratra an’i Madagasikara (IEM), fa ny fampielezan-kevitra nataony no nanomezany toky fa ho tanterahany izatsy sy izaroa. Efa niaraha-nahalala ny Miami sy Paris, ka ny tena nanombohany ny asa dia ny làlam-pirenena faha-13 (RN 13), tsy dia nahagaga loatra izany satria io laharana io no nentiny tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Nararaotiny tamin’ny fandalovany tany Atsimo ihany koa ny fanamafisana sy fanatsarana ny famatsian-drano ny Faritra Androy sy Anôsy. Ny tany Alaotra Mangoro dia nisy ny làlam-pirenena faha-44 (RN 44). Ny any Avaratry ny Nosy dia ny làlana mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar (RN 5bis), izay efa nametrahan’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery vato fehizoro.

Raha tsy hijery afa tsy ireo dia tsara ny mampahatsiahy fa tsy mbola misy misandratra ireo fampanantenana ireo amin’izao fotoana na dia tany amin’ny filohan’ny Repoblika daholo aza ny mason’ny mponina any amin’ireo toerana ireo. Mbola tany aminy ihany koa ny mason’ny mponina eny Ambohitrimanjaka tamin’ilay tetikasa “Tanamasoandro”, saingy maso vilana nampitandrina fa fihantsiana sy famonoana ny mponina eny an-toerana izany satria tantsaha ny maro an’isa ary mivelona amin’ny tanimbary kasaina ho totofana. Araka ny vaovao miely dia any an-toeran-kafa, any andrefana any, izay tsy tena mbola voafaritra mazava tsara no hanatanterahana ny tetikasa.

Tany amin-dRajoelina Andry sy ny mpikambana sasany ao amin’ny governemanta ihany koa ny mason’ny mponina eto an-drenivohitra rehefa nampanantena ny hanarina ny Rovan’Antananarivo izy ary nilaza fa ho tokanana ny 26 jona 2020 ny fahavitan’ny Rova. Nampitroatra ny maro anefa ny zava-nitranga satria efa nihoatry ny haavon’ny fefy ny fotodrafitrasa “colisée” vao fantatra fa tsy misy ifandraisana tamin’ilay “Lapa Masoandro” no kasain’ny Mpanjakavavy Ranavalona III natsangana. Gaga koa ny rehetra fa tsy famerenana amin’ny endriny, araka ny maha “vakoka” azy ny Rovan’i Manjakamiadana. Maso manakiana tsy manaiky ny “fanimbazimbana” sy ny “ota fady” atao ao amin’ity Lapa ity no mitsipalotra any amin’ny filohan’ny Repoblika. Araka ny vaovao moa dia naato ny asa satria mbola mifantoka amin’ny ady amin’ny fahavalo tsy hita maso ny Malagasy, ka ho hita eo ny tohiny.

Malaza indray ankehitriny fa aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao. Marina amin’ny ampahany izany satria malaza, indrindra aty amin’ny kaontinanta afrikana, ny vokatry ny fikarohan’ny manampahaizana Malagasy ilay Covid Organics (CVO), izay efa tena lasa lavitra tokoa satria efa tafatsangana hatramin’ny ozinina hamokarana “gélule”entina hitsaboana ny covid-19. Raha tena hahitana vokany araka ny niheverana azy tokoa ity fanafody ity dia hisandratra tokoa i Madagasikara kanefa amin’ny maha fanafody vita malagasy azy dia ny mponina eto Madagasikara no hisitraka izany voalohany, indrindra noho ny fahitana fa mirongatra tokoa ity valanaretina ity tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izao.

Aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao satria maizina mikitroka ny manodidina ny fampiasana ny vola fanampiana nomen’ireo mpiray antoka ara-bola iraisam-pirenena ary tsy misy mangirana mihitsy ny momba ny fitantanana izany vola be efa ho dimanjato tapitrisa dolara amerikana izany. Efa nivoaka tamin’ny serasera any ivelany fa misy vola be niala teto ary narotsaka any amin’ireo tany antsoina hoe “paradis fiscal”. Aty Madagasikara tokoa ny mason’izao tontolo izao satria mety hihanjaka tanteraka izao fitondrana izao na dia hahita ny fanafodin’ny covid-19 aza ny manampahaizana malagasy sy izay vahiny miara-manao fikarohana aminy. Tsy ho voaverina velively ny hambompom-pirenena ary tsy mbola izao no hisy izany fiandrianam-pirenena izany satria toa loza mihantona indray ity raharaha ity.

(Source: World Bank – Elite Capture of Foreign Aid – Evidence from Offshore Bank Accounts)