ERITRERITRA 26 JONA

Na dia teo ny fikasàny, na dia teo ny fiedinediny,
Indro izao fa tsy tontosa ireo karazan-dredirediny,
Fa mipetraka ho nofy, tena nofim-boaikely,
Tsy ho tanteraka mihitsy, tsy hiainga velively!

Na dia teo ny fikasàny mba hanandratra ny lokony,
Dia tsy miery fa “nijoboka” ireo karazam-petatokony.
Zavatra tsy hainy mantsy no mazàna hibitahany,
Ary dia mikatso hatrany, tsisy olana voavahany!

Tena resaka matavy sy eritreritra manidina,
Mampiseho hatrany hatrany izany hoe lohan`angidina.
Tsy mba zavatra voasaina na voavinavina lalina,
Nefa nofy iandrandrana ilay masoandro sasak’alina !

Sentosento no hitsenana ilay mba enimpolo taona!
Aretina no itafiana, toy ny sarin-damban-tsaona.
Mampametraka baraingo ny aminao ry firenena.
Izao ve no enimpolo taona ilay hoe fahaleovantena ?

TSIMIMALO