Mafy ny Filoha Marc Ravalomanana, hoy i Kelly Géant, mpamaky ny gazety Ny Valosoa Vaovao

Ny Filoha Marc Ravalomanana, izy no hany malagasy manana épaule ho filoha hatreto raha ny fahitako azy a ! Hazavaiko ny hevitro: anisan’ ny to-teny amin’ ny vahoaka malagasy izy ary nanana ny dian-tanany manokana raha teo amin’ny lafiny fandrosoan’i Madagascar no tenenina. Mbola tsy nisy nahatratra ny score-ny hatreto: 7,5% ny PIB ny fitomboan’ny harin-karena tamin’ny nitondrany.

Milaza zavatra maro be io ary mbola tsaroantsika angamba ny fiadanana sy fandriampahalemana tamin’izany fotoana. Raha resaka relation international, na fifandraisana iraisam-pirenena indray dia azo lazaina fa kapoakany io. Mbola mazava be koa fa mbola Ravalomanana izao no hatahoran’ity fitondran’ny mpanongam-panjakana Rajoelina sy ny forongony ity mafy satria nahoana hoy nareo ?? Mbola favori ny anay io. Ny fitondrana izao no lasa mpanohitra sy mitsikera ny mpanohitra. Mahagaga an ! Mafy ity kotoronono ity oa ! hany ka lasa tsy vitany hatramin’izay veliranony fa variana manenjika, ka matahotra mafy ny retour de flamme rahatrizay miverina aminy ny fitondrana, izay indray aloha dia ompay aho raha tsy hisy izany, tsy hisy hanaiky ny tsy hisian’izany eto ramose. Mila mody ny ondry nahondranareo hatrizay.

Etsy andanin’izany, ny sasany dia mbola manao sac de sable amin-dRavalomanana koa, efa lazaina fa tsy anjely Ravalomanana fa olombelona ihany, ka raha hodianao tsy hita na re ny fifonany sy ny fialan-tsininy intelo be zao no reko día asa fa efa fankahalana ny anao, tsy mbola nahita aho ka filoha latsa-dranomaso noho ny zava-misy mahazo ny fireneny, indrindra ka izy izao no namela zavatra tsara taorinan’ny fitondrany. Efa niova izy amiko ary tafalentika ao anatiny ny fitiavana ny tanindrazany. Aza hadino fa olona manankarena faha efatra eto Madagasikara izy (d’après Forbes) ary anisan’ny gasy mba manana ny maha izy azy eto amin’izao tontolo izao, noho izany manana ny stratejia manokana hiarovany ny orin’asany izy. Ny tokony hitsatoka ao an-dohanao dia ny zavatra vitany teto amin’ny firenena, ny ankoatran’izay fialonana ny gasy mba tafa afaka hilahatra amin’ireto karana sady sac au dos niakatra, fa tsy halatra ranoray toy ny an’i mpitondra ankehitriny sy ny forongony.

Aiza rangahy koa afaka amin’ny hoe haloavy ny hetra ny sasany dia miditra amin’ny hoe mihaona antsokosoko noho ny tombontsoa manokana indray, dia hafenina amin’ny hoe tsy te hanan-dratsy aho raha mbola izy no ho tafaverina eo. Tsy izay olona zéro virgule ery mihitsy kosa aloha no hampianatra na hananatra an-dRavalomanana an! Zonao ny mitsikera fa aoka hazava, Ravalomanana dia tsy manana compte à rendre amin’iza na amin’iza an- gamba, ekena fa mety mahay ny mpitsikera sy ny mpanenjika, fa raha hatao fitaovana Ravalomanana tsia an! Mafy Ravalomanana matoa io mbola matanjaka io ny Tiko, ary matoa tsy azo hozongozonina izany Tiko sy Tim izany dia ao raha ary matoa izahay voatariny dia resy lahatra ny zava-bitany. Tsy te hahita olom-baovao hanabanky indray ity firenena ity indray izahay, na hamerina ireo efa nampihinana anay fahiny sy ny tariny, indrindra ireo génération 2009 sy ny forongony efa nampianarina hangalatra ka aleo Dada sy ny Tim ihany! The time is now: tonga izao ny fotoana.

Kelly Géant, Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao