Sekreteran’ny angovo sy akoranafo, Andy Andriatongarivo – Nametrahana fitoriana noho ny ozona ho faty nataony ho an’ireo tsy misotro CVO

Ny harivan’ny faha-15 Jona no efa nanatitra fitoriana ny avy amin’ny RMDM, saingy tsy noraisin’ny teo anivon’ny fitsaràna izany, raha tsy ny marainan’ny talata faha-16 Jona noho ny antony fandaminana. Tetsy amin’ny ambaratonga voalohany tamin’ny 8 ora maraina no nanaovana izany. Ny mpitarika ny antoko VAMI, anisan’ny mpikambana ao amin’ny rodoben’ny mpanohitra, no nanatitra izany.

Nanitsaka ny lalàna ny sekretera jeneralin’ny angovo sy akoranafo, Andry Andriatongarivo, raha nanozona ho tratry ny aretina sy ho faty, ireo tsy mankasitraka sy tsy misotro ny tambavy CVO. Tao anaty ny pejy fesiboky no nanoratàny izao ny 20 aprily:

“Si vous n’appréciez pas le remède vita malagasy, alors n’en prenez pas ou n’en donnez pas à vos enfants, quand vous serez contaminés on souhaite que vous le soyez vraiment mais ne rabaissez pas le produit malagasy ni encouragez nos compatriotes à le haïr. Et qui Dieu vous bénisse et que les portes du paradis vous soient directement ouvertes”.

Ny androtr’io tamin’ny 10 ora folakandro ihany dia nisy fivoarana ny raharaha. Araka ny torimarika avy amin’ny fitsaràna dia ny mpitandto ny filaminana ao amin’ny borigadin’Antananarivo Renivohitra no handray an-tanàna ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

Tsaroina koa fa ny vadin’ity sekretera jeneraly ity, Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy, izay ministry ny serasera dia nanao teny mamohehitra nilaza fa “tsy mafy noho ny peste sy ny choléra, ny coronavirus”. Izany teny izany dia mbola notazoniny ary nohamarininy tao anaty ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenana ny herinandro lasa teo tao amin’ny CCI Ivato. Dia mitondra inona ho an’ireo Malagasy rehetra voan’ny aretina ny teny tahaka izany?

Filoha mpandainga, ministra miteniteny foana, sekretera jeneraly manozona Malagasy, izany ve no ohatra omena ho lovain’ny taranaka?

Vaovao nangonin’i Lanzelo