COVID-19 – Andry Rajoelina – Sady mandainga no milalao ny ain’ny Malagasy – Efa ‘Stade 3’ fa tsy ‘Stade 1’ i Madagasikara!

#COVID #Rajoelina

Ketraka ireo mpitsabo tamin’ny kabary nataon’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny alahady lasa teo.

Voatondron’ny fanjakana molotra ho mpandainga raha nilaza ny marina misy iainany ny mpitsabo. Diso ny filazan’ny filoha fa ampy ny ara-pitaovana sy ny fiofanana ary ny ‘prime’ entin’ny mpiasan’ny fahasalamana miatrika ny coronavirus, hoy ny avy amin’ny sendikan’ny ‘paramed’.

Ny EPI sasàna, dia averina anaovana indray. Ny ‘prime’ dia olona vitsivitsy no mahazo an’izany. Misy koa etsy akaiky ‘indeminité’ karazany roa, ‘risque’ sy ‘réquisition’. Ny momba ny ‘réquisition’ dia tsy mbola nisy naharay izany ary tokony efa nalohan’ny fanjakana in-efatra misesy isaky ny 15 andro.

Hitohy araka izany ny hetsika ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana eran’ny Nosy mandra-pivahan’ny olana. Ary tsy mijanona ny hetsika raha tsy tratra ny tanjona dia ny vita sy ampy ny ‘formation’, tonga ara-potoana ny EPI, ara-drariny no sady sahaza ny ‘motivation’ omena.

Tsy mbola voafehy ny COVID-19, hoy ny sendikan’ny mpitsabo. Milaza ny filoha fa mbola ao anaty ‘stade 1’ i Madagasikara raha toa ka efa ao anaty ny ‘stade 3’ hoy ny avy amin’ny ministeran’ny fahasalamana. Porofo fa lalaovin’ny fitondrana ny ain’ny Malagasy.

Vaovao MBS nangonin’i Lanzelo

‘https://youtu.be/QOyWVjDMAfk?t=380