Colisée ao anaty Rovan’Antananarivo – Misy zava-miafina hanapotehana ny fanahy maha-malagasy

Nitondra ny heviny ny mpahay tantara Gilbert Raharizatovo mikasika ny fananganana Colisée eny amin’ny Rovan’Antananarivo.

“Isika repoblikanina dia tsy manana zo hikitika ny Rova ka hanova ny hendriny satria manova ny firafitra amin’ny fifandraisana amin’ny tontolo niainantsika, na toe-tsaina na kolotsaina na fomba izany. Fahadisoana lehibe ny nanaovana an’io Colisée teny amin’ny Rova. Tena manota fady.

Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Tsy tongatonga ho azy io fa misy ezaka tsy fantatsika ary mbola zava-miafina hanapotehana ny kolotsaina malagasy mba tsy ho vahoaka malagasy intsony raha avy eo fa ho lasa vahoaka safiotra. Ny fototra lehibe ao anaty dia ny fanapotehana ny fanahy maha-Malagasy. Rehefa ny razana no kitihina, rehefa ny manodidina ny razana no kitihina dia fanapotehana ny Malagasy.

Saingy singambolo mety mandavo ny vositra io ka mety hanakorontana ny firenena rehetra.”

Vaovao MBS