Toamasina – Notifirin’ny miaramila ity lehilahy iray nandeha nividy Doliprane

Nandeha nividy Doliprane ity lehilahy iray monina ao Toamasina. Araka ny tatitra dia na dia nanao tapimbava izy ity fa tsy nanakana ny miaramila hanajanona azy. Tsy nihaino ny baiko izy fa tonga dia nirifatra nandositra ka raikitra ny fifanenjehana, ary niafara tamin’ny fitifiran’ireo miaramila ka nahafaty azy.

Inona marina no misy ao Toamasina fa mivadika ho fahamehana ara-politika ny fahamehana ara-pahasalamana. Niampy indray mantsy ny andiana miaramila tonga eny an-toerana. Raha efa nisy 150 no niditra teny tamin’ny alatsinainy, dia niampy 250, ary mbola nisy 200 hafa koa androany.

Rehefa tsy matin’ity fitondrana ity amin’ny aretina sy hanohanana ve izany dia basy amin’izay no mamita ny raharaha?

Lanzelo

(Sary FB O Lehiretsy E)