Tandindomin-doza ny Anatirova

MBS – Tafa tamin’i Mejamirado Razafimihary, filohan’ny Comité National du Patrimoine (CNP)

1 – Inona avy ireo dingana tsy maintsy narahinareo mialoha ny nanaovana ny asa lehibe tao amin’ny Rova ?
Ny lapan’i Manjakamiadana aloha ? Olana efatra no nisy : politika, ara-bola, ara-teknika sy ara-drazana. Ity farany no sarotra vahana indrindra. Tsy maintsy natao foana ny fifanarahana.

2 – Inona avy ireo nifanarahana raha nanao ny lapa ianareo ?
Tsy maintsy natao ny fanamafisina. Misy tsatoka 25 izay nalevina any ambany tany any ary mahatratra 23 metatra ny halalany, misy ny 60cm, misy ny 120cm de diamètre.
Tsy maintsy hajoro araka ny endriny teo aloha ny lapa. Mahatratra any amin’ny 160.000 ny isan’ny vato, misy ny azo najanona, misy ny nosoloina, ary amin’ny fomba siantifika no namerenana ny vato, araka ny Chartre d’Athènes sy ny Chartre de Venise.

3- Firy isan-jaton’ny asa ny efa vitanareo ? Dia inona no asa niandry ireo nanohy ny asa ?
Efa vita ny lafiny mahasarotra ny asa, eo amin’ny 80%. Sisa tafajanona dia ny famerenana ny ao anatiny amin’ny endriny teo aloha, ohatra ny fitadiavana sy ny fikajiana karazan-kazo.

4- Ary ahoana indray ilay hoe hipetraka ao Ravalomanana ?
Ny Chartre dia mitaky ny fametrahana rafitra hahafahan’ireo kilemaina na tsy dia afaka mandeha, hahafahana mitsidika ny toerana, ka hatrany ambony ohatra. Noresahina tamin’izany ny « ascenseur ». fa tsy mbola nisy ny fanapahan-keivtra. Dia tamin’izay no novoizina ny resaka fa hisy ny efitra hipetrahan’i Ravalomanana. Fa tsy nisy an’izany.

5- Iza no tena tokony hanapaka ny fanamboarana io lapa io ?
Marina fa manam-pahefana ianao mpitondra fa tsy anao irery io, ary tsy an’ny Merina irery io. Manankarena io toerana io, ary ny tantarantsika manomboka any Avaratra ka hatramin’ny Atsimo dia ao. Antsika Malagasy manontolo io ary ho fanajana ny ara-drazana sy ara-tantara dia isika samy isika aloha, ary izay vao entina any amin’ny Unesco araka ny ambarantonga samihafa.

6-Inona no tena antony lehibe namindrana ireo razana ?
Tsy nieran’ny mpanjanaka ny nakana ireny nofo sy vovoky ny mpanjaka ireny sy nametrahana azy ao amin’ny Rova, niniana natao mba tsy iankohofana amin’ny mpanjaka izay notompoina tamin’izany andro izany. Isika taty aoriana dia mamerina ny tantara.

7 – Ohatrinona ny vola niodina tamin’ny nanamboarana ny Rova ? Aiza ireo voahangona tamin’ilay hoe mametraha kely hananganana ny Rova ?
Mahatratra any amin’ny 20 miliara ariary raha ny ambaratonga nanaovana azy no jerena. Ao amin’ny tranonkala http://www.cnp-madagascar.org ahitàna ny antsipiriany.

8- Aminao mbola azo sokajiana ho vakoka ve io Anatirova io raha eo ilay « colisée » ?
Tsia tompoko.

9-Fa ahoana no ambara fa tandindomin-doza ny Anatirova ?
Rehefa tsy manaja ny fitsipika iraisampirenena eo amin’ny asa fanavaozana dia tandindomin-doza. Tsy tao anaty ny tantara ny « kianja masoandro ».