Colisée ao amin’ny Rovan’Antananarivo: “Fanolanana no nisy”

Tsy mahafehy ny tena kolontsaina malagasy ny mpiandraikitra ny kolontsaina eto Madagasikara, hoy i Hemerson Andrianetrazafy, mpahay vakoka sy tantara malagasy manoloana ny fananganana kianja na ny Colisée ao amin’ny Rovan’Antananarivo eny Manjakamiadana. Manazava ny heviny ny tenany.

Tohana tanteraka aho. Hatezerana ve ? Haromontana ve ? Alahelo ve ? Mitambatra daholo izany. Ny antony dia endriky ny fahavendranana faobe ilay izy ; fahavendranan’ny tompon-kevitra, fa fahavendranan’ny fiaraha-monina koa.

Rariny sy hitsiny raha misy manampahefana manamboatra zavatra, saingy ilay izy mandrava toy ny voalavo. Ao anaty habaka iangonana vakoka ifotorana tantara no tonga dia simbaina. Misy tandrozotrany ny fitantanana sy fikajiana ny vakoka, ary isan’izany ny fitahirizana sy fikolokoloina ny efa misy. Ary izany dia tsy manakana ireo izay te-hanao fa mba any amin’ny toeran-kafa. Fa ny fandravana ny efa dia sangy mihoatra ny loha.

Ilay vina apetraka dia anapotehana miampy fanapotehana. Ny Rovan’Antananarivo moa oviana no tsy nandalo loza, fa loza ampiana loza. Tokony fanarenana no natao, kanefa tonga dia fanolanana no nisy.

Nisy hono izany komity siantifika izany fa kely finoana aho. Raha mpanao tantara mpikajy vakoka dia tsy ho tonga amin’io. Tontolo fantatro loatra io ary ny ankamaroan’ny olona ao mifanerasera amin’ny tenako. Tsy mino aho. Fa ilay izy ve fanapahan-kevitro izaho lehibe ity dia atao ilay izy satria izay no reviko. Afaka manao an’izay izy fa ny alahelo mitoetra.

Be dia be ny ota fady atao. Tokony isika no manangana hoe ity mba fady kosa.

Ao anaty fananganana kolontsaina dia misy ny traikefa tovozina. Ny lalana diso azahoana lesona hananganana ny ho avy. Soa koa angamba nisy an’io mba ahafahan’ny ady hevitra hisongadina. Ny haba-piarahamonina na ny « espace publique » iseraseràna rehetra hoatrany tonga dia tototra daholo. Lasa tontolo mampihomehy isika fa manaotao foana. Mahazo aina mihitsy ny mpisalovana sy mpisoloky ao anaty rafitra hoatran’izao.

FB Real TV
‘ https://www.facebook.com/666125253836846/posts/914813902301312