Raharaha Arphine – Club des Journalistes Doyens (CJD) – Manao antso avo hanaovana fanadihadiana lalina sy hitsaràna azy

Manoloana ny raharaha Arphine Rahelisoa mpanao gazety no sady talen’ny famoahan-gazety Ny Valosoa Vaovao, izay nampidirina vonjy maika teny Antanimora, dia nanao antso avo hanaovana fanadihadiana azy ny eo anivon’ny mpanao gazety zokiolona na ny CJD (Club des Journalistes Doyens).

Araka izany dia nilaza ny mpanao gazety zokiolona Norbert Solofo Randriamorasata fa mitaky mandrakariva ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny raharaha Arphine Rahelisoa ary indrindra ny fitsaràna azy mba tsy hitazomana azy ela any am-ponja. Na iza na izao mpitondra eo, hoy izy, dia samy manana ny heviny, ka ny zavatra azo lazaina teo aloha dia manjary tsy azo lazaina intsony avy eo, ary ny zavatra azo lazaina izao, tsy azo lazaina teo aloha.

Ka io no tokony ezahin’ny mpanao gazety, indrindra indrindra ny fikambanan’ny mpanao gazety, mba hanao resaka matotra. Tokony ezahina haingana ny amoahana ny lalàna mba ho mari-pototra ary hakàna ny hevitry ny mpanao gazety rehetra, indrindra ireo mpanao gazety zokiolona.

Hatreto dia tsy mbola misy vaovao mikasika ny fitsaràna na ny fangatahana ny famoahana vonjy maika azy. Marihina fa efa namoaka fanambaràna momba ity raharaha ity ny teo anivon’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety. Saingy manao bemarenina tanteraka ny fanjakana.

Vaovao MBS nangonin’i Lanzelo

Ordre des Journalistes de Madagascar (OJM), 5/4/2020
MG – https://bit.ly/3aGYStm
FR – https://bit.ly/2KzfOHA

Association des Femmes Journalistes de Madagascar, 7/4/2020
https://bit.ly/2Y7xMsI