Raharaha Arphine Helisoa – Rolly Mercia, ministry ny serasera teo aloha – Manome ny heviny mikasika ny fanagadràna mpanao gazety

Ny hetsiky ny mpanao gazety nivondrona tao anaty ny MLE (Mouvement pour la Liberté d’Expression) izay notarihan’ny ministry ny serasera ankehitriny, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, no namporisika ny mpanao gazety tsy hanaiky ny karatra maha-mpanao gazety matihanina navoakan’ny komisiona manokana nitsangana tamin’izany andro izany, hoy i Hary Laurent Rahajason [Rolly Mercia], ministry ny serasera teo aloha. Isan’ireo tsy nanana karatra maha-mpanao gazety noho izany i Arphine Helisoa, izay mpikambana tao amin’ny MLE, ary toy izany koa ny ministra ankehitriny sy ny mpanao gazety hafa maro. Ary dia maro koa anefa no naka.

Gaga aho ankehitriny amin’ity raharaha ity, hoy izy, fa misy olo-maventy ao amin’ny ministeran’ny serasera ankehitriny milaza fa tsy mpanao ramatoa Arphine satria tsy manana karatra. Kanefa ilay karatra tamin’ny komisiona natsangana tamin’izany, nolazaina fa tsy izy, dia izao indray manjary milaza fa izy ilay karatra. Tokony hajanona izany “argument” izany, satria tsy mpanao gazety koa izany ireo mpanao gazety sy haino aman-jery rehetra manohana ny fitondrana tsy manana karatra ankehitriny ireo. Dia raha mila vanona izany ny sasany dia hanao hoe handao ho toriana ireo satria manao “usurpation de fonction”. Dia lasa sahotaka. Ka aza manao an’izany ry namana mpitondra ao amin’ny ministera, hoy izy, fa mpanao gazety io.

Etsy andaniny, na dia efa nisy aza ny fankatoavana ny lalàna mifehy ny fifandraisana na ny “code de la communication” izay nanaisotra ny fikajiana ny asa fanaovan-gazety ho heloka tsotra dia mitady irika hampidirana ny fiampangana ny mpanao gazety ho voafehin’ny lalàna fahamaizana na “code pénal” hatrany ny mpitondra ankehitriny mba hahafahany managadra ny mpanao gazety. Ataony an-kafetsena ilay izy. Ataony hoe “atteinte à la sûreté de l’Etat”, izany hoe manohintohina ny fiandrianana anaty ny firenena, izay ao amin’ny “code pénal”; na koa hoe “incitation à la haine du gouvernement”, iny koa. Dia any amin’ny “code pénal”, misy famonjàna. Kanefa na ho aiza na ho aiza, ny “statut” entin’ilay lazaina fa “auteur”, izay no mitondra an’io. Mpanao gazety ilay olona nanao an’ilay izy. Ovaina any amin’ny “code pénal” ilay izy, hahafahana managadra ilay mpanao gazety.

Miantso ny amin’ny isian’ny fitoniana amin’izao ady atrehina amin’ny coronavirus i Rolly Mercia. Amin’izao vaninandro izao, efa faly ny mpitondra fanjakana, faly ny ampahan’ny vahoaka, fa hoatrany voafehy izany valan’aretina izany, tokony avoaka ny fonja izy roa vavy ireo, hoy izy. Misy iray fahatelo any niteny momba ny bikan’ny ministra dia niditra any koa. Misy ny tenin’ny tanora hoy izy, “tokony hatoky valera, fa io no nanaovan’Andriamanitra ny tena”.

Vaovao Real TV
Nangonin’i Lanzelo