Fanambarana – Ny Valosoa Vaovao – Tranonkala sy fesiboky

Eto anatrehan’ny fampiakarana fampanoavana an-dramatoa Rahelisoa Arphine, tompon’andraikitry ny gazety (taratasy) Ny Valosoa Vaovao dia manao fanamarihana ny ekipa misahana ny tranonkala sy ny pejy fesiboky mitondra io anaran-gazety io. Tsindrina eto fa efa ny sabotsy 21 martsa no nivoaka farany ny gazety an-taratasy.

Re izao fa nohadihadiana ary notazomina ny tompon’andraikitry ny gazety (taratasy) noho ny “publication” iray nivoaka tao amin’ny fesiboky izay manendrikendrika ny filoha hajaina ho mpamono olona. Marihina eto fa efa imbetsaka ny teny hoe “mpamono olona” no nivoaka eny rehetra eny, fa angamba noho ny fisian’ilay teny vahiny no nahatonga ireo tompon’andraiki-panjakana niaka-pofona ka nampiantso an-dramatoa Arphine, izay tsy tompon’antoka velively amin’izay lahatsoratra rehetra mivoaka ao amin’ny fesiboky sy tranonkala Ny Valosoa Vaovao.

Efa ho roa taona latsaka kely izao no nanombohan’ny ekipa izay monina aty andilambato ny fiaraha-miasa amin’ny gazety an-taratasy Ny Valosoa Vaovao, ary mampiasa ny teknolojia vaovao izy ireo entina mizara ny lahatsoratra tontosain’ireo mpanoratra maro, isan’izany ohatra ny “Edito”, ny “Hadihady” na koa ny tononkalon’i “Dadan’i Zina”, izay be mpankafy. Malalaka koa ny ekipa mampiditra izay lahatsoratra na “publication” mifanaraka amin’ny heviny. Io asa io dia natao an-tsitrapo ary maha-afa-po ny olona ka ahitàna olona 10.000 ankehitriny manaraka ny fesiboky, ary eo amin’ny 3.000 isambolana no manaraka tsy tapaka ny tranonkala.

Ndeha iverenana ny “publication” misy sary maro miaraka amin’ny teny manendrekendrika ny filoha. Ireo sary ireo dia tsy noforonina fa avy amin’ireo mpilaza vaovao sy mpanao fesiboky, mampiseho ny gaboraraka nitranga taorian’ny fanambarana nataon’ny filoha ny amin’ny fihibohana na “confinement” enina ora fotsiny aoriana ny andron’ny 23 martsa, noho ny valan’aretina coronavirus. Fantatra fa mamono io ary mahatratra iray tapitrisa no voany eran-tany. Eto anefa dia tsy araka ny fiarovana ny vahoaka dradradrain’ny filoha amin’ny alalan’ny fihibohana ny zava-mitranga eny rehetra eny, izay asehon’ny sary nandritra ny folo andro nisesy. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny gaboraraka ny filoha, ary miseho ho “famonoana olona” ny fampitangoronan’ny fanjakana ny olona amin’ny fizarana vary sy vola, ary koa ny famerana azy tsy hivoaka kanefa tsy manan-ko hanina.

Fanakianana mazava no atao ary mbola ho ataon’ny ekipa misahana ny tranonkala sy fesiboky izany. Eto dia sahin’izy ireo ny milaza fa raha tsy misy kianina ny ataon’izao fitondrana izao dia tsy handeha hamorona na hanaratsy be fahatany. Tsy afaka mipetra-potsiny ny ekipa rehetra manoloana izao trangan-javatra izao, ary mahatsiaro ho mpiray tsikombakomba raha tsy milaza ny tsy mety.

Ankehitriny dia tokana aloha ny fahavalo, tsy inona fa dia ity aretina coronavirus ity. Ka raha mbola tena ny aim-bahoaka no ambony, dia tsara raha mifampihaino sy mifampitaiza. Fa ny fanambanimbaniana, toy ny atao amin’ireo 6%, na ny faniratsiràna ny “andriamanitray”, na koa ireo “kaonty fake” mpikarama miantsy ady ao amin’ny fesiboky, dia tsy hanamora ny fisian’izany. Koa tokony atsahatra ny adilahy politika ary tokony ampiseho ny fitondrana fa tena vonona hamonjy ny ain’ireto vahoaka an-tapitrisany.

Ny ekipan’ny tranonkala sy fesiboky Ny Valosoa Vaovao