COVID-19 – Fizarana fanampiana avy amin’ny filoha – Manjaka ny zara vilana sy ny kolikoly

Tranga teny 3G hangar mihazo ny Vasakaosy, mizaka ny fizarana mitanila sy kolikoly mikasika ny fanampiana avy @ filoham-pirenena:
– “aleo tsy hisy ny fanampiana fa ankifidifidy tavan’olona,… rehefa tsy misy dia aleo samy tsy hisy, fa aleo samy mitady vola”
– “atero isam-baravarana, tsy asiana hoe manana na tsy manana, fa samy noana,.. satria tsy ny coronavirus no hahafaty anay fa ny hanohanana”
– “nafenin’i prezida Gita, prezidam-pokontany ny lisitra,… zareo samy zareo no mihinana azy ao”
– “nitaky ny zonay izahay, tonga dia vono totohondro no nahazo anay nataon’ny zanaka ny komity”
– “ry zareo samy vaomiera no manao kiantranoantrano”

Vaovao nangonin’i Lanzelo