COVID-19 – Korontana amin’ny fizaràna vary – Anjaran’ny mpamily taxi indray

(Sary FB Dédé Rakotomanana)

Eto an-tsary dia milela-paladia amin’ny m’se lemera mihitsy ity mpamily taxi, mangataka ny anjara vary nampanantenain’ny filoha.

Nitaraina ramatoa Clémence, tompon’andraikitry ny Fikambanan’ny Taxi Antananarivo Renivohitra (FTAR) – mpanolotsaina IRK – fa mikorontana izaitsizy ny fizarana ny vary nampanantenain’ny filoha.

Ny lisitra manome ny anaran’ireo mpamily taxi niisa 4.528 dia nanjary nisy “doublons”. Misy ireo naharay SMS imbetsaka ho tonga ao amin’ny Lapan’ny Tanàna, tao anaty andro maro nisesy ka nahasitraka fanomezam-bary imbetsaka araka izany, ary misy kosa ireo tsy naharay tsy afaka afa-tsy nivavaka sisa, kanefa dia lany andro sady reraky ny dia tongotra.

Nanao tatitra koa ramatoa Clémence fa tratran’ny filoha lefitry ny FTR nikirakira ny solosainan’ny kaominina ireo ekipa VTM izay adverseran’ny FTR, izay tsy fantatra raha misy fifandraisana amin’ny korontana. Trangan-javatra mampahatsiahy ireo fifidianana nifanesy tokoa izao, ary toa nandraisan’ny sasany lesona avy amin’ny CENI.

Araka izany dia tafiditra ao amin’ny sokajy misy ny beantitra sy ny mpivarotena koa izao ireto mpamily taxi, mizaka ny tsy fahaiza-mandamina na fizaràna vary na fizaràna vola. Re koa fa na dia mahazo àry, dia vary mamofona no raisina.

Avy aiza àry ny tsy mety? Ny filoha ve sa ny ben’ny tanàna? Sa dia izy roa lahy mpisakaiza?

Lanzelo

Fandraisampeo an-dramatoa Clémence