Antoko Tiako i Madagasikara – Mitsinjo ny ho avin’ny taranaka

Helisoa

Tontosa soa amantsara teny Ambohimalaza distrikan’Avaradrano, faritra Analamanga, ny fambolenkazo izay efa fanaon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) isan-taona, notarihin’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana, sy ny sekretera jeneralin’ny antoko Rina Randriamasinoro.

Na dia lavitra aza ny toerana dia tsy nahasakana ireo mpikatroka an’arivony tonga nanefa ny adidiny ho an’ ny tanindrazana izany tsy mba notambazana vola. Mpikatroka TIM avy amin’ny Boriboritany 6 eto an-drenivohitra, sy avy amin’ireo distrika manodidina an’Antananarivo no nanatanteraka izao fambolen-kazo izao.

Fameloma-maso sy fitsinjovana ny taranaka faramandimby ny fambolen-kazo hoy ny filoha Marc Ravalomanana, ka tsy ataontsika atsirambina mihintsy. Tsy maintsy kojakojaina ireny hazo ambolena ireny fa tsy avela fotsiny amin’izao. Koa mankasitraka ireo rehetra izay nandray anjara tamin’izao fambolen-kazo izao sy nikarakara tamin’ny fanatontosàna izany.

Mbola namafisiny fa tena nisy ny hosoka tamin’ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena, nanomboka tamin’ny fifidianana filohampirenena, nandalo tamin’ny fifidianana depiote, ka hatramin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly farany teo. Tokony ho foanana arak’izany ireo fifidianana ireo, hoy izy ary hatao ny fanadihadiana sy ny famotorana nahatonga izany hala-bato izany.

Ny sekretera jeneran’ny antoko Tiako i Madagasikara Rina Randriamasinoro ihany koa dia nanambara, fa sady adidy ho an’ny tanindrazana ny fambolenkazo araka ny tarigetran’ny antoko TIM hatramin’izay ny hoe: Madagasikara voajanahary, ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ao anatin’ny fameloma-maso ny antoko ihany koa izao ataontsika izao, izay midika fa antoko velona sy matanjaka ny Tiako i Madagasikara ary mitsinjo hatrany ny tombontsoam-bahoaka, na ao anatin’ny fanoherana aza.

Zanakazo miisa 1000 no voavoly tamin’izany, ho fanaraha-maso izany, hisy ireo hijery ny zanakazo nambolena afaka 3 volana.