Filazana ny marina – “Hero” i Thierry, “zéro” kosa ny CENI sy ny HCC

Ny Valosoa

Fifidianana nisy hosoka no olana eto Madagasikara, toa mamilivily resaka hatrany anefa ny fitondram-panjakana sy ny CENI ary ny HCC. Taorian’ny namoahan’ny Ceni ny tarehimarika makadiry nampivarahontsana dia mazava tsy takona afenina, fa tena nisy ny hosoka tamin’ny fifidianana nanomboka tamin’ny taona 2009 ka hatramin’ny 2019. Ny manahirana dia rebirebena ny saimbahoaka hitodika any amin’ny resaka fanesorana an’i Thierry Rakotonarivo, dia manao izao karazam-pihetsiketsehana rehetra izao ny Hcc, izay mihevitra ny vahoaka ho toy ny zazabodo sy olona bado, dia asisika mora ny resaka manao hoe, tsy misy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana hono iny tarehimarika nivoaka iny.

Izao indray dia misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy andrimpanjakana mpanao lalàna mikasika ny hitsivolana navoakan’ny filohampirenena, tsy sanatria zava-maivana akory izany, kanefa mbola manan-danja lavitra noho ny fifanenjanana eny Tsimbazaza na Anosikely, ny hosoka vitan’ny Ceni, izay nankatoavin’ny Hcc . Dimy amby roapolo isan-jato be izao tamin’ny vato manankery no halatra bevata nampandresena ny kandida mpanongampanjakana, sy ireo solombavambahoaka ary ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina avy amin’ny antokon’Ingahy filoha mpanongampanjakana , io no tokony hanaovana famotorana matotra, sy tsy mitanila, fa aza ariana dia amin’ny resaka fanonganana ny filohan’ny Antenimierandoholona ny vahoaka efa vizan’ny fahantrana sy mitaintaina noho ny coronavirus.

Na nametra-pialana na nesorina i Thierry Rakotonarivo dia mendrika azy ny fanajana sy ny fankasitrahana avy amin’ny vahoaka tia fahamarinana, satria fahasahiana lehibe no nasehony namoaka ireny tarehimarika ireny, azo antsoina hoe: “hero” izy, fa ireo mpikambana ao amin’ny Ceni sisa dia lany henatra tanteraka , mendrika ny ho sorohina amin’ny angady, raha omena naoty dia “zero”; ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana(Hcc), izay mieritreritra ho tompon’ny teny farany dia mbola miseho ho tompon’ny fanapahana amin’ny disadisa rehetra miseho kanefa dia efa voaporofo fa mpitanila: aorta ihany koa raha omena naoty rah any ankamaroan’ny vahoaka no manao izany.

Ny andrandrain’ny vahoaka fatratra izao, dia ny fahasahiana mijoro avy amin’ireo mpitsara avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana sy raharaha ara-bola (tribunal admnistratif et financier ), ka hamoaka koa ny marina momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna farany teo. Efa nisy ny fitarainana nalefan’ny sasany tamin’izy ireo tany amin’ny Transparency International, fa mila mahalala ny marina koa ny vahoaka Malagasy.

Ho lasa “hero” sahala amin’i Thierry Rakotoniarivo ireo mpitsara ireo rehefa miroso amin’izay dingana matotra izay, fa ireo mpikambana amin’ny Ceni sisa sy ireo ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (Hcc) kosa dia “zéro “, miala fa vendrana hoy ny lohateny tsy miala amin’ny gazety iray izay.