MIADY AN-TRANO

Miady an-trano indray ny ekipan-dry boaikely.
(Tsy ankandasitra fa tena mifamely!)
Samy miaro irony rambo tsy ho bory,
Ka indreo mampiaka-peo, mifampitory!

Miady an-trano indray ny ekipan-dry boaikely.
Tsy fitaratra ary tena tsy modely,
Fa dia miady sady tena mifandrafy.
(Ny ho very seza mantsy, tena mafy!)

Miady an-trano indray ny ekipan-dry boaikely.
Misy zava-tsy ao an-tsainy velively,
Dia ny hoe: hianjera ho azy ka ho rava
Irony trano rehefa mihozongozon-dava.

Miady an-trano indray ny ekipan-dry boaikely.
(Lany henatra fa efa toy ny angely!)
Toy ny tsinjo sy hita soritra sahady
Fa tsy ho ela dia hivarina any an-kady!

DADAN’i ZINA (07-03-20)