RY MALAZA HO MPANDRAVA !

Tena mahavaky fo ny lamasininao Rajoelina,
F’isan’andro vaky izao dia toy ny miditra tonelina.
Tsy misy zavatra milamina fa toa matimaty lava.
Asa angamba noho ‘nareo efa malaza ho mpandrava!

Toa alaina ho fahavalo izay rehetra manakiana.
(Misy ireo izay nosamborina sy iniana hampijaliana?)
Tena iharam-panenjehana amim-pomba tsy mazava.
Asa angamba noho ‘nareo efa malaza ho mpandrava!

Tsy mifidy tavan’olona ny karazam-panenjehana,
Fa atao kitapo iray raha vao “tsy foza” ny firehana.
Izay miteny, manakiana dia asai-mikombom-bava.
Asa angamba noho ‘nareo efa malaza ho mpandrava!

Na loholona aza moa dia toy ny hoe niharan-tsazy,
Fa nesorina daholo ireo rehetra mpiambina azy.
Toy ny miantso ny dahalo hoe resy ireo ka dia tongava.
Tena izany ve no izy ry malaza ho mpandrava?

DADAN’i ZINA (06-3-20)