Fampianarana – Tsy rariny ny hampandoavana hetra ny sekoly tsy miankina

Ny Valosoa

Ny dian’ny mpitory filazantsara nanao tafika masina tany amin’ny
distrikan’i Morombe, kaominina Ambahikily, faritra Atsimo Andrefana no hotantaraina aminao alohan’ny hijerena ny lohateny voalaza eo ambony.

Fokontany iray ao anatin’izany kaominina izany no ahitana soratra lehibe hoe EPP……………..saingy tsy misy vatan-trano fa vodihazo lehibe iray no hita, eo ambaniny no ahitana mpianatra sahabo ho 50 isa. Ery anoloana dia misy mpampianatra mitazona solaitrabe. Eo akaikiny misy mpampianatra manazava lesona sy manoratra eo amin’ilay solaitrabe, ary ery aoriana misy mpampianatra iray manara-maso sy mampangina ny mpianatra. Rehefa vizana ny mpampianatra iray dia mifanolo toerana eo izy telo mirahavavy. Izany no santionany amin’ny EPP na sekolim-panjakana, fanabeazana fototra misy eto amintsika amin’izao fotoana izao. Ary tsy any lavitra any ihany fa vao mandeha 30 km manodidina an’Antananarivo isika dia mahita trangan-javatra mitovitovy amin’izany amin’ireny EPP ireny. Tsy misy dabilio fa mipetraka amin’ny tsihy ny mpianatra sasany. Trano ratsy sy tsy mitafo sasaka no mijoro. Mpianatra rovi-pitafiana, tsy manao aron’akanjo na tablier itovizana no hita ao. Izany no zava-misy ankehitriny ary santionany amin’ny hita amin’ireo sekolim-panjakana eran’ny nosy.

Anisan’ny nampiavaka ny tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana ny fanomezana aron’akanjo mitovy ho an’ny mpianatry ny EPP rehetra teto Madagasikara ary koa ny kits scolaires na fitaovam-pianarana ho an’ny tsirairay, eny hatramin’ny mpianatry ny sekoly tsy miankina aza tamin’izany. Tao ihany koa ny fanomezana boky hoenti-mampianatra ho an’ny sekoly tsy ankanavaka, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana tamin’izany. Toa nofinofy anefa izany ankehitriny fa na ny programam-pampianarana aza dia mbola ifampitadiavana eny amin’ny CISCO na ZAP ary mandoa vola vao mahazo izany matetika. Tsy haverina hotanisaina eto intsony ny fitotongan’ny fampianarana ankehitriny, ny fihenan’ny tahan’ny mpianatra miditra an-tsekoly, ny grevy samihafa miverimberina ka mampitsoaka an-daharana ny mpianatra marobe, ny fisian’ny risorisom-panadinana ka mahatonga ny 2eme session tamin’ny fanadinana bacc farany teo, ary ny fahalavan’ny taon-tsekoly izay efa tafakatra 11 volana tamin’ny farany teo noho ny tsy filaminan’ny taon-tsekoly.

Eo anoloan’izany tontolon’ny fampianarana izay matroka sy maizina izany no re fa misy ny fikasana hampiditra holaniana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna hampandoa hetra ny sekoly tsy miankina. Marihina aloha fa tamin’ny fitondrana rehetra nifandimby teo aloha dia tsy nandoa hetra ny sekoly tsy miankina na ariary aza. Saingy gaga ny rehetra fa amin’izao fotoana mampihemotra tanteraka ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara izao no hikasan’ny mpitondra hampandoa hetra ny sekoly tsy miankina? Izany dia hita fa tsy rariny. Araka izany, tamin’ny mbola niroborobo aza ny sekoly tsy miankina, tamin’ny mbola maro ny mpianatra namonjy sekoly, tsy nandoa hetra izy ireo, fa ankehitriny dia kasaina hampandoavina hetra izy ireo. Satria mila vola ve ny fanjakana dia atao daholo ny fomba rehetra hahazoana izany na dia vao mainka aza hampihemotra tanteraka ny fampianarana sy ny fanabeazana eto amin’ny firenena?

Hoy ny olon-kendry iray: vohay midanadana ny varavaran’ny sekoly dia hikatona ho azy ny varavaran’ny fonja. Eto amintsika anefa, miharihary ny fitiavam-bola mihoa-pampana eo amin’ny mpitondra ankehitriny, ka toa tsy mampihetsi-bolomaso azy akory na maro aza ireo sekoly tsy miankina hikatona atsy ho atsy, ka hampitombo indray ny isan’ny voafonja, satria ny fanamboarana fonja manara-penitra no toa maha-dodona azy fa tsy ny fanatsarana ny kalitao sy fampitomboana ny isan’ny sekoly eto Madagasikara.

Ny fanontaniana eto am-pamaranana dia ny hoe hanaiky mora an’izany ve ireo sekoly tsy miankina marobe mipariaka eran’i Madagasikara, na miankina amin’ny finoana na tsia? Ho voatamby vola indray ve ry zareo eny Tsimbazaza ka ho jamba ary hanangan-tanana mora ho fanekena izany volavolan-dalàna kitoatoa sy manimba firenena ary tsy rariny izany?