Fanjakana miady an-trano – Madiva ho rava ny fitondrana Rajoelina

Ny Valosoa

Tranga iray nampirongatra ny ankolafin-kery rehetra teto ny fanambarana navoakan’ny Ceni, momba ny fisian’ny laharana karapanondrom-pirenena mitovy miisa iray tapitrisa mahery, fa ny tena nikoropaka tsy tafapetraka dia ireo ao amin’ny fitondrana nahazo tombony tamin’ny hosoka, nanomboka izany Ingahy Filoha Rajoelina, izay tsy niandry ela fa ny azy no nataony tonga aloha, ny minisitrin’ny atitany nanambara fa tsy mitombina ny fisian’ny laharana karapanondrom-pirenena be dia be mitovy ary nilaza hampanao fanadihadiana Ingahy minisitra, ny filoha lefitry ny Ceni loharano nivoahan’ny vaovao dia nanao fanamarihana petatoko ary sahy nanambara, fa tsy misy fiantraikany tamin’ny voka-pifidianana hono ilay tranga, ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika dia mahasahy manilika tsotr’izao amin’ny filazana, fa ny fitondrana Hvm no nametraka ny Ceni, sy izay rehetra nandrafitra ny lisi-pifidianana.

Fanadiovantena avokoa ny dikan’ireo fanambarana ireo, fa n’inona n’inona fanazavana atao dia nisy ny hosoka goavana tamin’ny fifidianana nanomboka ny taona 2018, satria ilay lisipifidianana niaingana no feno hosoka , dia matahotra ny marina izy mianakavy dia samy manadio tena sy mifanilika any amin’ny hafa, misy ny fitenenana manao hoe : « rainikoto no fangalarana, renikoto no ahombiazana », efa samy nahalala ny toe-java-misy izy rehetra ireo, fa tsy nisy niteny satria samy nitetika ny ho kalabe araka ny fitenin-jatovo.

Miandry ny fanadihadiana izay tokony handeha amin’ny fangaraharana ny vahoaka malagasy mpifidy nahatsiaro voambaka, tokony handray fepetra hentitra ny Hcc, izay tsy afamiala amin’izao toe-draharaha mamohehitra izao, izay tokony hametra-pialana koa, ary ireo avy amin’ny fianakaviambe iraisampirenena, anisan’izany Ramatoa Marie Dumond tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Pnud eto Madagasikara, izay nanambara fa afapo tamin’ny zotram-pifidianana teto amintsika, sy ny avy amin’ny Vondrona Eoropeana, ny Vondrona Afrikana, ny Sadc , ny Oif sy ireo Masoivoho miasa sy monina eto amintsika, samy tokony hiteny avokoa ireo hilaza hoe voafitaka ary mitaky ny famerenana ny fifidianana rehetra, sy ny fialan’ireo tompon’andraikitra, sy ny fanasaziana ary indrindra ny fanonerana ny vola lanin’ ireo mpikirakira fifidianana fototry ny hosoka.

Ankehitriny dia mahatsapa ny olompirenena manam-pinoana, fa mamaly vavaka ilay Andrimanitra tsy tia ratsy, satria tsy takona afenina , f’efa mikorontana ireo nahazo tombontsoa tamin’ny hosoka, tsy mahagaga satria, tsy fiarahana nasesiky ny fitiavantanindrazana ny azy ireo, fa vokatry ny fitiavampahefana sy filankarena mihoa-pampana ka rava ho azy, ny fanambarana mivoaka avy amin’ny isan-tokony dia ahatsapana fa misy ny disadisa ary rehefa irosoana ny fanadihadiana vao mainka hikorontana io, dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny voalaza ao amin’ny Marka toko faha 3 andininy faha24 manao hoe : «Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy aharitra izany fanjakana izany».