Fitondrana Rajoelina – Mahazo laka ny laingalainga sy fampandriana Adrisa

Helisoa

Herintaona mahery no tonga teo amin’ny fitondràna ny TGV, tarihan’ny filoha Andry Rajoelina, fa tsy misy zavatra misongadina, ny lainga sy fampandriana andrisa no mahazo laka aloha nandritra izay fotoana izay. Vitaina alohan’ny faha 60 taona ny fahaleovantena 26 jona ny fanamboarana ny kianjan’Imahamasina izay narodana. Amboarintsika hoy ny filoha Rajoelina ny lalana RN44 mihazo an’Ambatondrazaka tamin’ny volana novambra, nefa hatramin’izao mbola tsy manomboka ny asa. Ny ao Manaingazipo izay nolazaina fa ho vita ao anatin’ny 3 volana, tsy misy asa manomboka araka ny fanambaràna nataon’ny depiote Fidèle Razara Pierre vao tsy ela akory izay, sns…

Ampatoriana ny Malagasy ankehitriny ary tsy avela hikofoka amin’ny fampandriana adrisa hoe tena miasa ny fitondràna tarihan’ny filoha Andry Rajoelina. Vao omaly no omaly ny talen’ny seraseran’ny filoha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina dia tena hoe paradisa i Madagasikara. Tsy adala anefa ny Malagasy ka hanaiky ny fampandriana adrisa atao eo foana, hanaiky ny makety tsy ho tanteraka eo, fa hifoha amin’ny torimasony amin’ny fotoana tsy ampoizina izy ireo. Efa voahorakoraka sy voahogahoga ny filoha Rajoelina teny Mahazo, voalaza ihany koa fa nisy nitoraka izy tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy iny, raha nanatitra fanampiana tany an-toerana.

Efa fambara amin’ny zavatra mety hahazo azy atsy ho atsy izany, aleo mantsy hoy ny Malagasy mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanehitra amin’ny mpandainga, ka ny mpandainga toa ny Filoha Andry Rajoelina dia hahazo ny sahaza azy tokoa avy amin’ny vahoaka tompon’ny fahefana ato ho ato!