Rina Randriamasinoro – Tsy resy ny TIM fa niniana noresena

Helisoa

Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny sekretera jeneraly vaovaon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Rina Randriamasinoro taorian’ ny fihaonamben’ny tompon’andraikitry ny antoko manerana an’i Madagasikara ny alarobia lasa teo. Tao anatin’izany no namalian’ity farany ireo fanakianana maro atao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara.

Mandeha ny feo fa resy lava hono ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana satria resy tamin’ny fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena. Nazava ny valin-kafatra, fa tsy nisy antoko politika na iray aza, ka naharesy ny antoko Tiako i Madagasikara TIM izany teto amin’ny firenena, fa niniana noresena sy nampiasàna ny fahefam-panjakàna rehetra tamin’ny alalan’ny halabato, hoy izy. Antoko politika maro mitambatra (plateforme) no nanao angaredona tamin’izany, MAPAR tamin’ny fifidianana filohampirenena, IRD indray tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ary IRK tamin’ny ben’ny Tanàna. Nampiasaina tao ny anaran’ny filohampirenena izay filohan’ny Malagasy 25 tapitrisa, na tsy manaraka ny lalam-panorenana aza. Na natao lohateny be an-gazety aza, na nasaina miteny ankolaka aza ireo mpikambana TIM namadika palitao lasa miasa amin’ny TGV manambara fa tsy ahazo fahefana izany intsony ny antoko Tiako i Madagasikara dia ny mifanohitra amin’izany no misy satria, efa miomana haka fahefana indray ny antoko najoron’i Dada. Ho sasapoana eo ireo fa tsy maintsy misy farany ny zavatra rehetra, ireo mpamadika ireo indrindra no tena nahapotika ny TIM tany amin’ny toerana sy faritra misy azy ireo, satria nataony fananana manokana ho azy ny TIM. Tsy maintsy izy ireo hatrany no nofidiana depiote na ben’ny Tanàna tamin’ny fifidianana natao teto amin’ny firenena.

TIM FOREVER sy TEAM DYNAMIC izao no misy manomboka eto! Efa vonona daholo ny ekipa ho amin’izany, fa ho vasoka eo ny mpanenjika sy ny mpamadika palitao, miainga avy eny ifotony ny fitantanana, izay no hanaovana ny mpitantana ny Foko-TIM amin’ny alalan’ny fifidianana, dia miakatra miakatra izany fifidianana ny mpitantana izany, ireo mpikambana manana karatra rehetra no hifidy, fa tsy sanatria olona hotaterina ho voavidim-bola, izay tena lavitra ny foto-kevitry ny antoko, dia ny foto-kevitra demokraty kristianina.