Niaiky ny CENI – Fôpla ny lisi-pifidianana eto amintsika

Isambilo

Andro miavaka ho an’ny zotram-pifidianana raha ny voalazan’ny lalàna ny andro omaly, andro namaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana, nataon’ny CENI na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Toy izao ny vokatry ny asa natao tao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana 2019-2020, nanomboka ny 1 desambra lasa teo :
• Isan’ny mpifidy tao anaty lisi-pifidianana nialoha ny 01 desambra 2019 : 10 299 583.
• Ireo mpifidy vaovao : 412 151: izy ireo dia ireo vao feno 18 taona, vao nahazo karapanondro, ireo tsy voasoratra anarana mihitsy tany aloha ary izao vao nisoratra anarana, ireo mpifidy nifindra monina.
• Ireo mpifidy nesorina tsy ho ao anaty lisi-pifidianana : 143 334. Ao anatin’izany ireo maty, ireo nomelohin’ny fitsarana ka very zo eo amin’ny sehatry ny fifidianana, ireo nifindra monina.
• Isan’ny mpifidy ao anaty lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao : 10 568 400.
• Tahan’ny fisondrotan’ny fisoratana anarana tao anaty lisi-pifidianana : 2,61%.
Araka ny fanamarihan’ny CENI:
• Ny distrika manana fitomboan’ny taham-pisoratana anarana ambany indrindra : Vohémar 0,01%.
• Ny distrika manana fitomboan’ny taham-pisoratana anarana ambony indrindra : Morafenobe 8.47%.
• Ny faritra manana fitomboan’ny taham-pisoratana anarana ambany indrindra : Ihorombe 1.37%.
• Ny faritra manana fitomboan’ny taham-pisoratana anarana ambony indrindra : Atsimo andrefana 3.84%.
• Ny Faritany manana fitomboan’ny taham-pisoratana anarana ambany indrindra : Mahajanga 1.54%.
• Ny Faritany manana fitomboan’ny taham-pisoratana anarana ambony indrindra : Toliara 3,06%.

Tohin’ny asa hataon’ny CENI amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana: omaly no nofaranana vonjimaika manerana ny nosy teny anivon’ny CED ny lisipifidianana ary izany dia nanasana ireo antoko politika sy Fiarahamonimpirenena ny fampahafantarana. Atonta ireo lisi-pifidianana nofaranana vonjimaika ireo ary haverina eny amin’ny Fokontany farafahatarany ny 10 martsa ho avy izao. Aorian’izay dia omen’ny lalàna 20 andro ny olompirenena hanaovana fanamarinana sy fanamarihana io lisi-pifidianana vonjimaika io. Hamarinina amin’izany ireo fahadisoana ara-tsipelina, teo amin’ny fandikana, na ihany koa ireo nisy latsaka. Haverina eny anivon’ny CENI ireo kahie mirakitra ny fanamarihana ireo aorian’izay ary raketina anaty solosaina sy hatonta indray ho an’ny 15mey, daty voatondron’ny lalàna hamaranana tanteraka ny lisi-pifidianana. Laharampahamehan’ny CENI hatrany hoy ny fanambarana nataony, ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny lisipifidianana. Ao anatin’izany ny fanesorana ireo anarana miverimberina (opération de dédoublonnage).

110 629 ireo anarana miverina in-droa na mihoatra, hita ao anaty lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana nataon’ny CENI, tsy azo lavina fa tena misy olona 2 samihafa manana karapanondrompirenena mitovy laharana. Miisa 1 162 512 ireo olompirenena manana laharana karapanondrompirenena mitovy ireo, hita ao anaty lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao. Efa misy ny dingana ataon’ny CENI hijerena manokana io tranga io, tranga izay tsy miankina mivantana amin’ny CENI, hoy izy ireo. Na izany aza, misy amin’ny ampahany mahatonga io ny fahadisoana eo am-piraketana anaty milina (opération de saisie).

Ireto àry ireo dingana efa natao amin’izao fotoana izao ao anatin’io fametrahana ho laharampahamehana ny fanatsarana sy fanadiovana ny lisi-pifidianana io :
– Nalefa eny amin’ny Fokontany ireo lisitry ny anarana miverimberina.
– Nalefa eny amin’ny isam-pokontany ihany koa ny lisitra misy ireo laharana karapanondrompirenena mitovy.
– Ireo dia anaovan’ny CENI antso avo ho an’ireo Lehiben’ny Fokontany hanentana ny mponina ao aminy hanao fanamarinana sy fanamarihana, hahafahana manaisotra ireo anaran’olona tsy tokony ho ao anaty lisitra. Isan’ireo antony fototra mahatonga ny fiverimberenan’ny anarana ao anaty lisi-pifidianana ny mpifindra monina tsy naka tatatasy fifindramonina, ka anaovan’ny CENI fanentanana hatrany, mba tsy hisy ny hoe sady misoratra any amin’ny fokontany nisy azy teo aloha ilay mpifidy, no misoratra any amin’ny fokontany vaovao misy azy. Ny lisi-pifidianana havaozina amin’izao fotoana izao no lisi-pifidianana hampiasaina mandritra
ity taona 2020 ity, izany hoe mandritra ireo fifidianana hatrehina amin’ity taona ity.

Izao tatitra nataon’ny CENI izao dia mbola manamarina ny fisian’ny tsy fahatomombanana tamin’ireo fifidianana efa vita teto amintsika, ary manamafy ny tsy fahamarinan’ireo fifidianana ireo. Midika ihany koa fa lisi-pifidianana fôpla, na tsy araka ny tokony ho izy no nampiasaina tamin’ireo fifidianana efa natao teto Madagasikara. Tsy afa-miala ami’izany olana izany ity rafitra mikarakara fifidianana ity, na manadio tena toa inona aza, fanirian’ny olom-pirenena ny hisian’ny fanasaziana ireo tompon’andraikitra mahakasika izany.