EDITO 25 Febroary – Raharaha Ambohitrimanjaka : toa misy zavatra hafahafa kotrehan’ny fitondrana

Sôh’son

Hafahafa sy mampieritreritra ny zava-misy ankehitriny momba ny raharaha Ambohitrimanjaka. Toa tsy ahenoina fitenenana nivatravatra toy ny teo aloha ny fitondrana tato ho ato, indrindra taorian’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nofantenana teny an-dapa. Tamin’izany no nilazana fa hidina eny ifotony mihitsy ny filohan’ny Repoblika hihaona amin’ny vahoaka. Hatramin’ny sabotsy teo anefa dia tsy mbola tonga tany an-toerana ny tenany, na ny minisitra solontenany. Ny vahoaka avy amin’ireo kaomina 4: Ambohitrimanjaka, Ankadimanga, Ambohidrapeto, ary Fiombonana, dia mifamotoana isaky ny andro sabotsy maneho ny fanoheran’izy ireo ny fanotofana ny tanimbariny sy ny taniny. Amin’ny fotoana indrindra toy izany no iandrasan’izy ireo ny olona avy amin’ny fitondram-panjakana hihaona aminy.

Ny zava-misy ao anatin’izay fihetsiky ny roa tonta izay dia misarika ny saina ihany hiahiahy zavatra hitranga. Raha nanao be fiavy niharo amboletra tany am-boalohany ny fitondrana hanatanteraka ny tetikasany dia tsy henoheno firy mivantana toy izany intsony taorian’ny tsikera be nivaivay maro samihafa ary anisan’izany ny teto amin’ny gazety Ny Valosoa. Ny hetsiky ny vahoaka voakasika kosa niha-nitombo sy niha-matotra hatrany ary hentitra be mihitsy hatramin’izao. Nanova fomba fiady ny fitondrana avy eo ary avy dia nametraka birao mpanelanelana sy handray izay tapa-kevitra hivarotra ny taniny eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Tetika maneho fa tsy hihemotra amin’ny tetikasany hapetraka eny an-toerana ny fitondrana. Izany hoe tsy mbola ato ho ato no hilaminan’ity raharaha ity raha ny zava-misy.

Ny mampieritreritra, dia tsikaritra ho misy paik’ady misoko mangina ataon’ny fitondrana any ambadimbadika any. Miseho amin’ny alalan’ny resaka mandeha eny anivom-piarahamonina andavanandro eny an-toerana izany. Ny re dia zavatra miiba momba ny tany fambolena eny no misy mivoy. Tsy nisy anefa izany nandritry ny taona maro ary tsy nisy fiovàna ireo tany fambolena ireo. Io no niveloman’ny mponina ary io no nojifain’ny mponina maro tsy teny an-toerana sy ny manodidina ihany, fa hatreny an-drenivohitra. Ka santionan-dresaka izany ankoatra ny sahoan-dresaka samihafa manampempo ny mponina eny amin’iny faritra iny.

Mazava loatra fa tsy mandeha amin’ny lala-mahitsy ny raharaha, ka mampanahy be ihany. Izany ve no atao hitantanana ity firenena ity sy hitondrana ny vahoaka? Tsy misy mangarahara sy marina mazava matoa misy izany rehetra izany.